PolitikaSongadim-baovao

PRAIMINISITRA: « Tsy mikasa hanova ny lalàm-pifidianana ny Governemanta »

Nohamafisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly, nandritra ny tatitra nataony teo anoloan’ny Solombavambahoaka, fa hisy ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity, ary ao anatin’ny fanomanana izany i Madagasikara amin’izao fotoana. Tao anatin’ny fifampiresahany tamin’ny mpanao gazety kosa nanambarany fa tsy mikasa hanova ny lalàm-pifidianana ny Governemanta, amin’izao volana vitsy mialohan’ny fifidianana izao.

Isan’ireo ivon’ny adihevitra ao anatin’ny fanomanan’i Madagasikara ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona 2023 ity ny mahakasika ny lalàm-pifidianana. Misy mpisehatra politika sasantsasany, indrindra ireo avy amin’ny fanoherana izay mivoy mafy ny tokony hikitihana ny lalàm-pifidianana manan-kery eto Madagasikara ankehitriny. Fiarahamonim-pirenena vitsivitsy ihany koa no miray feo amin’izy ireo mahakasika izay tokony hanovana ny lalàm-pifidianana izay. Anton’ny fangatahana, araka ny angom-baovao, ny mba hisiana fifidianana madio, mangaraharaha, ary eken’ny rehetra.

Omaly, nitondra ny fanehoan-keviny ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, ary nanamafy fa tsy manana fikasana hanova ny lalàm-pifidianana eto amintsika ny Governemanta, amin’izao volana vitsy mialohan’ny fifidianana izao. “Ny zava-misy dia miroso isika, ary ho atao ny fifidianana araka ny voalazan’ny lalàna”, hoy izy. Notsindrian’ny Praiminisitra fa manahirana ny manova izany lalàm-pifidianana izany satria raha hikitika izany isika dia hanova zavatra maro. Raha tsiahivina tokoa, dia tsy ny Fitondrana ankehitriny, fa ny Fitondrana teo aloha no namolavola ity Lalàm-pifidianana miasa sy mihatra eto amintsika ankehitriny ity. Efa io no nampiharina tamin’ny fifidianana nifanesy teto amin’ny firenena, raha tsy hilaza afatsy ny Fifidianana Filohan’ny Repoblika tamin’ny 2018. Tsy nanova na nikitika an’io lalàna io mihitsy ny Fitondrana ankehitriny, saingy ireo olon’ny Fitondrana teo aloha, izay namolavola azy indray ankehitriny no mitaky ny hanovana azy.

Tetibola, datim-pifidianana

Etsy ankilany, mbola adihevitra hatrany ihany koa ankehitriny ny mahakasika ny tetibola hanatanterahana io fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity io. Tsy vitsy ireo mpisehatra politika maneho ny ahiahiny ny amin’ny hisian’ny fifidianana ihany na tsia,  eo anatrehan’ny tetibola izay tsy mbola hita soritra mazava hatreto. Omaly, mbola nanome toky ny Praiminisitra Ntsay Christian fa ny Governemanta dia hanampy ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) amin’ny fanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena. “Miainga amin’ny zava-misy hatrany isika, fa tsy miainga amin’ny tsy misy”, hoy ny Praiminisitra. Nambarany fa efa mitohy tsy tapaka ny fifampiresahana eo amin’ny Governemanta sy ny Ceni amin’izao fotoana handavorariana izany fifidianana izany. Nampahatsiahiviny koa ny fanomezan-toky efa nataon’ny Rafitry ny Firenena Mikambana izay efa nanao tombana teto amintsika, ary nilaza fa hanohana ny fanatanterahana ny fifidianana. Tsy mbola fantatra kosa hatreto na mbola hisy ny “basket fund”, toy ny tamin’ny taona 2018 na tsia.

Mahakasika ny resabe voizina momba ny tsy famoahana mazava ny datim-pifidianana kosa, nahitsy ny Praiminisitra omaly nilaza fa ny didim-panjakana manaika ny mpifidy no voafaritry ny lalàna fa avoakan’ny Governemanta, fa tsy datim-pifidianana. Raha io didim-panjakana io manokana, dia voalazan’ny lalàna hatrany fa 90 andro mialohan’ny andron’ny fandatsaham-bato farafahatarany no hamoahana azy. Noho izany, raha niainga tamin’ilay volavolana tetiandro navoakan’ny Ceni, izay hanaovana ny fifidianana amin’ny novambra, dia mbola manana hatramin’ny volana Aogositra izany ny Governemanta, hamoahana ny didim-panjakana manaika ny mpifidy.

Fermer