PolitikaSongadim-baovaoToekarena

VIDIN-JIRO SY RANO TSY NALOAN’NY MPANJIFA: Hitaky ny volany mitentina 200 miliara Ar ny Jirama

Tafakatra hatrany amin’ny 200 miliara Ariary any ny trosan’ny orinasa Jirama vidin-jiro sy rano tokony haloan’ny mpanjifa kanefa tsy naloany tao anatin’ny 5 taona farany ka manampy trotraka ny fahasahiranana iainan’ny orinasa ankehitriny izany. Manoloana izany, nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fitakiana ny trosa tokony hiditra amin’ny orinasa teo anelanelan’ny 2018 ka hatramin’ny 2022. Noho izany dia hatsangana eo anivon’ny orinasa ny sampandraharaha manokana hanao « recouvrement » ka raha ilaina dia azo heverina ny fakana ny traikefa avy amina orinasa tsy miankina na « consultant » efa matihanina amin’ny fitakiana vola hanampy amin’ny fananganana io sampandraharaha manokana io, araka ny fanazavana voaray.

Fahaverezana ara-teknika

Tetsy ankilany, mbola ho famahana ny olan’ny orinasa Jirama ihany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitantanana ny fahaverezana ara-teknika amin’ny fitsinjarana herinaratra avy amin’ny orinasa.Ny fahaverezana ara-teknika tahaka izany moa dia fahita maneran-tany, eo ho eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 15% ny herinaratra izay tsinjaraina no ahitana fahaverezana raha ny salan’isa manerantany, fa ho antsika eto Madagasikara dia tafakatra hatrany amin’ny 30% eo izany”,  araka ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra. Noho izany, mitombana eo amin’ny 150 miliara Ariary isan-taona eo io fahaverezana ara-teknika io, goavana dia goavana ka mila ahena. Ny vahaolana dia ny fametrahana rafitra ara-kajy mirindra sy rindram-baiko hanaovana fanarahamaso sy fijerena ny famokarana, ny fitaterana ary ny fitsinjarana ny herinaratra. “Misy orinasa manam-pahaizana manokana sy matihanina amin’izany rafitra ara-kajy mirindra izany maneran-tany, ka hiroso amin’ny fanaovana “appel à manifestation d’intérêt” ny JIRAMA mba hijerena izay orinasa tena manana ny teknolojia, ny traikefa ary manana tolotra tsara indrindra hamaly ny filantsika eto Madagasikara”, araka ny fanazavany hatrany.

Fomba fanomezana tsenan’asam-panjakana antsoina hoe “EPC+F” no hatao, izany hoe tsisy vola mivoaka avy amin’ny Fanjakana Malagasy fa ny orinasa izay ho voafantina no hitondra ny famatsiam-bola sy hanao ny asa dia ny fitrandrahana ilay rafitra ara-kajy mirindra izay hapetraka ihany no hampiditra vola ho azy. Rehefa tapitra ny fifanarahana amin’izay orinasa ho voafantina eto dia lasan’ny Fanjakana Malagasy avokoa izay fitaovana rindram-baiko sy rafitra ara-kajy mirindra ho ampiasainy eo.

Ny Fanoratana.q

Fermer