Songadim-baovao

DISTRIKAN’ANDILAMENA : Jiolahy enina nifandona tamin’ny zandary, lavon’ny bala i Jaky Mena

Nanatanteraka fisafoana tampotampoka tamin'ny lalam-pirenena 3A, ny mpitandro filaminana avy ao anivon'ny Vondron-tobim-paritra Andilamena, afakomaly alina, hifoha omaly alarobia, izay notarihan'ny Kapiteny Tobiasy, Komandin'ny Vondron-tobim-paritra. Nifanena tamin'ny andian-jiolahy miisa enina mirongo fitaovam-piadiana, ka raikitra ny fifanjevoana. Jiolahy iray lavon’ny bala…

Raikitra ny fisafoana tety amin’ny lalam-pirenena fahatelo A.

Nanatanteraka fisafoana tampotampoka tamin’ny  lalam-pirenena 3A, ny mpitandro filaminana avy ao anivon’ny Vondron-tobim-paritra Andilamena, afakomaly alina, hifoha omaly alarobia, izay notarihan’ny Kapiteny Tobiasy, Komandin’ny Vondron-tobim-paritra. Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina, raha sendra nandalo teo Antampoketsa, anelanelan’ny Ampamoha sy Befoza, ao anatin’ny Kaominina Andilamena, dia nifanena tamin’ny andian-jiolahy miisa enina mirongo fitaovam-piadiana ny mpanao fisafoana ary nanondro ny basiny avy hatrany teny amin’ny mpitandro filaminana, ireto farany izay nieritreritra fa handrava izay olona rehetra mifanena aminy. Mba nentina hiarovan-tena sy  hiarovana ny fitaovam-panjakana, nampiasa avy hatrany ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany ireo mpanao fisafoana. Dahalo iray antsoina hoe Jacquelin na i Jaky Mena no lavo ny balan’ny mpitandro filaminana.  Tafatsoaka kosa, ireo dimy namany. Marihina fa dahalo efa raindahiny, nikarohana hatramin’ny ela ity maty ity, ary mbola tratra teny aminy ny basy vita gasy iray sy bala ary fanafody gasy maromaro, toy ny mohara. Natao izao hetsika izao, mba ho entina iarovana koa ireo mpampiasa ny lalam-pirenena RN 3A ary indrindra ireo vahiny izay maro mivezivezy mamonjy ny kariera ao amin’ny fokontany Antsomangana kaominina ambanivotra Bemaitso distrika Andilamena.

Tokantrano 12 voaroba…

Ilay jiolahy lavon’ny balan’ny zandary nandritra ny fifanjevoana.

Olona efa voafonja tamin’ny raharaha halatr’omby izy io, ny taona 2019. Anisan’ireo nandray anjara  koa tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tany Ambodinanto, fokontany Beangaka, kaominina ambanivotra Saranambana, distrika Fenoarivo Atsinanana, izay nahaverezana vola 30 tapitrisa ariary no fitambarany, tamina tokatranon’olona, miisa 12 voaroba, tamin’ny 8 marsa lasa  teo. Kalazalahy tamina vakitrano izy, no mbola nipetraka tao Ambatobe, sady mpamerin-keloka. Mitohy ny ezaka fampandriana fahalemana ataon’ny Zandarimaria ao Andilamena. « Amin’izao ankatoky fankalazana ny fetin’ny pantekoty sy ny fankalazana ny tsingerintaona niverenan’ny fahaleovantena izao, fa indrindra ho fiomanana sahady amin’ny fifidianana izay ho avy dia mila fitoniana sy filaminana isika mialoha, mandritra ary aorian’izany », hoy ny Kapiteny Tobiasy, komandin’ny vondron-tobim-paritra Andilamena. Koa manentana ny vahoaka mba tsy hanaiky ho voarebirebin’olom-bitsy, amin’ny fitadiavana tombontsoa manokana izy. « Andao hiara-hientana hamongotra ny ratsy ary izahay eto anivon’ny Zandarimaria dia vonona hatrany hamaly ny antsonareo, mba ho tombontsoan’ny mpiara-belona sy ny firenena », hoy  hatrany ny fanazavany.

Fermer