Vaky Bantsilana
Aza sodokan’ny antontanisa!
Mbola mitohy ny ady amin’ny valanaretina covid-19, eto Madagasikara. Raha zoina tokoa mantsy ny zava-misy, raha hiaingana avy amin’ny antontanisa avoakan’ny Foibem-pibaikoana ny covid-19, ary nohamarinin’ireo fanadihadiana voamarin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, dia mbola mitohy ny ezaka miainga avy amin’ny rehetra, handresena io fahavalo izay tsy hita maso sy tsy azo tsapain-tanana io. Marina fa efa nahatratra ny antontanisa farany ambony (Pic) teo amin’ny taham-pahavoazana io isika, saingy tsy mbola afaka misioka aloha, satria mbola tsy resy tosika ilay valanaretina. Manodidina ny 95% eo izao ireo efa nahafeno fepetra fa tsy mamindra intsony tamin’ireo nahitana tsimokaretina hatramin’izay. Raha ny marina, mahatratra 13 832 izy ireo, raha ny antontanisa nomen’ny CCO, farany, tamin’ireo 14 863. Mihena am-pitoerana indray kosa, ireo olona mbola manaraka fitsaboana, anisan’izany ireo marary mafy, miovaova arakaraky ny zava-misy. Miisa 836 izy ireo tamin’ny antontanisa faran’ny CCO io. Raha eo amin’ireo lavo nohon’ny valanaretina indray, dia mbola afaka milaza isika fa manana ny maha izy azy ny Malagasy, tsy toy ireo firenen-kafa efa nanototr’olona anarivo sy analiny maro. Mampahonena izany, saingy ny firenena tsirairay kosa, samy manana ny paikadiny enti-miatrika ity valanaretina ity. Maherin’ny 190 ireo nindaosin’ny fahafatesana eto amintsika, ankehitriny.
Mazava ny fanazavana avy amin’ny fanadihadian’ny Oniversite iray any Etazonia, izay manana ny antontanisa eken’ny OMS. Ho azy, anisan’ireo firenena maherin’ny 50 mbola tsy afaka mirehaka isika eto Madagasikara, izay tafiditra anatin’ny fivoaran’ny antontanisa mihena tsikelikely. Tsy tokony hohadinoina, anefa, fa mbola misy ny sokajy manaraka eo, izay nosokajiany fa mety hahatongavantsika indray amin’ny fiakaran’ny antontanisa ambony indrindra faharoa, raha tsy manohy ny fepetra efa noraisina teo aloha. Mazava koa ny fanadihadiana nataona fikambanana iray any ivelany, mikasika ny mbola ho fitohizan’ity krizy ara-pahasalamana ity. Aminy, raha tsy voaparitaka ireo vaksiny eken’ity fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana ity, tsy ho voafehy mihitsy io valanaretina io. Saingy notsindriany hatrany, fa raha malina hatrany amin’ny alalan’ireo fepetra ara-pahasalamana mbola napetraky ny fitondram-panjakana ny firenena iray, dia tsy hihoatra io sokajy fahatelo io, na dia mbola tsy nisitraka izany, aza. Na izany na tsy izany, azo inoana tokoa fa hanova zavatra maro maneran-tany ity valanaretina ity, na eo amin’ny ara-olona izany, na eo amin’ny ara-ekonomika, indrindra eo amin’ny fomba fiainan’ny zanak’olombelona, izay sisan’aretina sy efa voasedran’ny mafy izay.
Raha fehezina izay rehetra izay, ny fahamailoana hatrany no antoka hivoahantsika amin’ity valanaretina ity. Mitaky fandraisan’andraikitry ny rehetra izany, na eo anivon’ny mpitondra, na ireo tompon’andraikitra rehetra, hatramin’ny vahoaka malagasy tsivakivolo mihitsy. Mamy ny miaina, ary lahy tokana ny aina, ka zovy no hanao tandrevaka? Aza sodokan’ny antontanisa fa ny ampitso no banjino, mba hiaraha-mankalaza fa nandresy fahavalo iraisana. Ny zava-misy tsy maha tafandrimandry, anefa, mbola maro ireo manao zinona ireo fepetra e! Manao tsy ho tratry ny aloka, saingy raha ny tenany manokana no ifoteran’ny ataony, maninona? Ny mampalahelo mantsy, ny rehetra no miara-mizaka ny adalan’ny sasan-tsasany.
Antso avo no atao amin’ireo tompon’andraikitra, hanamafy ny fepetra efa napetraka ity! Eo ny fitondram-panjakana miezaka manao izay tratry ny ainy, amin’ny fitadiavana ny paikady rehetra hiadiana amin’izy io, fa eo kosa ireo mpanatanteraka ety ifotony, izay mandray baiko ka tsy tokony hijery arina an-tava, raha misy fandikana fepetra. Ohatra amin’izany mantsy, ny any anaty fiarahamonina rehetra tsy hitan’ny mpitandro filaminana any. Mba impiry tokoa moa izy ireny no manao topimaso kely miditra anaty elankelan-trano any, mijery ireo tsy mivaky loha amin’izay arotava? Mandeha ho azy ny any, raha ny marina! Tsy misy mivaky loha na iray aza, fa toa mihevitra hatrany fa mbola nofinofy ity valanaretina ity, ka ireo efa tonga saina efa ela no mangovitra am-pitsanganana, mijery azy. Raha mba misy manolo-tena miteny azy ireny, toa manao amboa tsy vakin’akanga iny, ka misitri-belona sao matin’ny vavam-bahoaka eo indray. Izany no zava-misy ka atsipy ny tady, fa ny fihibohana aloha inoana tsy hiverenana intsony, rehefa mba afa-mitandrina ny tsirairay…
