
PolitikaSongadim-baovaoSosialy
LALATIANA RAKOTONDRAZAFY: « Filàmboatsiary ny fitakiana fanovana lalàm-pifidianana »
Nanamafy ny fanazavana efa nentin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta mahakasika ny resaka voizina amin’ny fanovana ny lalàm-pifidianana, omaly, ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Tsikaritra, hoy izy, fa manana fironana manao feon’ny fanoherana mihitsy ireo fiarahamonim-pirenena sasantsasany eto amintsika izay manao adisisika ny hikitihina ny lalàm-pifidianana. Raha tsiahivina, nanao rodobe nitety andrimpanjakana, indrindra indrindra ny Antenimieram-pirenena tamin’ity herinandro ity ireo fiarahamonim-pirenena maromaro ireo, ary isan’ny voizin’izy ireo ny fikitihana ny lalàm-pifidianana mba hiantohana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra.
Nilaza omaly ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa filàmboatsiary ny fitakiana fanovana lalàm-pifidianana amin’izao volana vitsy mialohan’ny fifidianana izao. Taorian’ny fifidianana tamin’ny 2018 dia efa nanana efa-taona ireo fiarahamonim-pirenena nitondrana izany tolo-kevitra izany, kanefa tsy nisy niresaka. Ankehitriny, rehefa nisafidy ny tsy hikitika ny lalàm-pifidianana ny Fitondrana Rajoelina mba tsy hampiteraka ahiahy amin’ny mpisehatra politika sasany, dia ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo mpanao politika sasany indray no misisika mafy amin’izany. Notsiahiviny fa ny Fitondrana HVM no namolavola io lalàm-pifidianana io, izay niteraka ny fidinana andalambe nataon’ireo Depiote 73 tamin’ny 2018, nialohan’ny nanitsian’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana azy, ka lasa neken’ny rehetra. Rehefa nirosoana ny fifidianana ny taona 2018, dia nisy ny fifandimbiasam-panjakana ara-demokratika nipetraka. Dikany, nahomby ny fampiharana an’io lalàna io, ka mahagaga aty amin’ny taona 2023 dia lazaina indray fa tsy mety ilay lalàna, hoy hatrany ny fanehoan-keviny.
Zava-dehibe ny fampiharana an’io lalàna efa misy io, araka ny nambarany. Nomelohiny kosa ny filazana ataon’ny mpisehatra politika sasany manambara fa hisy korontana eto raha tsy voaova io lalàm-pifidianana io.



