Songadim-baovao
PENTEKOSTA IEREN-DOZA 2023 : Hamafisina ny fitsirihana ara-teknika ireo fiara
Anatanteraka hetsika fitsirihana ara-teknika na « Opération contrôles techniques » amin’ireo fiara mifamoivoy an-dalambe mandritra ny fito andro, nanomboka omaly, hatramin’ny 01 jona 2023, ny Foibe fitsarana fiarakodia, amin’ny alalan’ireo Sampandraharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika an-dàlambe sy ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy. Hamafisina araka izany ny fitsirihana ara-teknika ireo fiara…

Anatanteraka hetsika fitsirihana ara-teknika na « Opération contrôles techniques » amin’ireo fiara mifamoivoy an-dalambe mandritra ny fito andro, nanomboka omaly, hatramin’ny 01 jona 2023, ny Foibe fitsarana fiarakodia, amin’ny alalan’ireo Sampandraharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika an-dàlambe sy ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy. Antony, noho ny fahamaroan’ireo fianakaviana manam-pikasana hitondra fiara hisintaka sy hivoaka ny renivohitra. Hamafisina koa ny fitsirihana ara-teknika eo am-piaingan’ireo taksibrosy rehetra eny amin’ny tobim-piantsonana. Ao anatin’izao hetsika izao koa dia hisokatra ireo Ivon-toerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy anio sabotsy manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 12 ora antoandro ho fanomezana fahafaham-po ireo mpanjifa. Ny tanjona amin’ity hetsika pentekosta ieren-doza dia ho fisorohana mialoha ny lozam-pifamoivoizana niseho lany tato ho ato sy ho fiarovana ny ain’ireo mpampiasa làlana rehetra sy ho famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka fa miaro ny ainy sy ny fananany ny mpitandro filaminana, hahafahan’ny olon-drehetra mankalaza ny fetin’ny Pentekosta 2023 am-pilaminana sy lavitry ny lozam-pifamoivoizana.
Ho fiarovana ny tontolo iainana, hojerena manokana ireo fiara mamoaka setroka mihoa-pampana. Hisy koa ny fanaraha-maso manokana ny fivezivezen’ireo « Tricycles » izay hita ho nihamaro, sady miasa mitatitra olona ivelan’ny renivohitra, ho fampanarahan-dalàna ny rehetra, toy izany koa ireo mampiasa fiara mitondra laharana vahiny, indrindra ny laharana « WWT » ary ny fampiasana jiro be mahajambena « Led » amin’ny alina sy fanentanana ary fampahafantarana ny fandrarana ny fampiasana ny fitaratra matroka misy « Pellicules ». Tsy hisy ny fandeferana amin’ireo fiara hita fa tsy manara-dalàna ka mety hitera-doza na hampidi-doza ho an’ny hafa satria « Lahitokana ny aina, kolikoly tsy ilaina ».




