PolitikaSongadim-baovao

FANAOVANA HETSIKA POLITIKA: « Malalaka saingy tsy maintsy manaraka fepetra », hoy ny Minisitry ny Atitany

Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny toe-draharaham-politika mafanafana ankehitriny ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tokely Justin, omaly, teny Tsimbazaza, taorian’ny fanaovany tatitra teo anoloan’ireo Solombavambahoaka. Notsindriany fa malalaka ny fanaovana hetsika ara-politika sy ny famoriam-bahoaka na antoko avy amin’iza na amin’iza saingy tsy maintsy manaraka ny fepetra. Araka ny voafaritra ao anatin’ny lalàna, hoy izy, dia iray volana mialohan’ny fifidianana vao manomboka ny propagandy. Dikany, tsy mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny fampielezan-kevitra isika izao, ka tsy maintsy misy fepetra arahina. Ity farany izay mihatra, na amin’ny antoko politika eo amin’ny Fitondrana na tsy eo amin’ny fitondrana. Nampahatsiahivin’ny Minisitra fa mba ho fitandroana ny filaminam-bahoaka no antony hampanajana ireny didy aman-dalàna ireny.

Raha tsiahivina, tranga nanaitra ny mpanara-baovao farany teo ny mahakasika ny Filoha teo aloha Ravalomanana, izay nanao fihetsiketsehana an-dalambe tao amin’ny Faritra Itasy, izay tsy maintsy nandraisan’ny Mpitandro filaminana fepetra, ary niafara tamin’ny fanapahana baomba mandatsa-dranomaso. Tranga izay nanambaran’ny avy amin’ny fanoherana fa tsy misy intsony ny demokrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra eto Madagasikara.

Ny Talata teo, efa nitondra ny fanehoan-kevitra mahakasika io tranga io ihany koa ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, izay sady Mpitondra tenin’ny Governemanta. Nambarany fa rehefa lalàna dia lalàna, ary na iza na iza dia mitovy daholo eo anatrehan’ny lalàna, eny fa na Filoha teo aloha aza. “Rehefa miteny ny lalàna amin’izay tokony hatao sy tsy tokony hatao, farafahakeliny amin’ny tokony ho fihetsiky ny mpanao politika iray izay mbola mikasa hitondra firenena, dia ny fanarahana ny voalazan’ny lalàna”, hoy ny fanazavany. Nambarany, noho izany, fa tsy hoe ny Filoha teo aloha no tsy mahazo manao famoriam-bahoaka fa ilay fidinana andalambe manohintohina ny filaminam-bahoaka no nametraka olana. Notsindriany fa raha samy manaja ny lalàna daholo ny mpisehatra rehetra dia milamina ny firenena.

Fermer