PolitikaSongadim-baovao

FAMPANDROSOANA AN’I MAROANTSETRA SY MANANARA AVARATRA: Hitsangana ny Faritra faha-24, Ambatosoa

Tany amin’ny Distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra ny Filohan’ny Repoblika mivady niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana ambony isan-tsokajiny ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’ny fitafany tamin’ny vahoaka amin’ireo distrika roa ireo ny hanomezana Faritra mitokana azy ireo, fa tsy mitambatra amin’Analanjirofo intsony. Izany no hatao mba hanafainganana ny fampandrosoana sy hamahana ny olan’ny vahoaka.

Azo antoka hatramin’ny 88% ny hanatanterahana ny fanomezana Faritra mitokana an’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra, hoy ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo, raha nanao fitsidihana an’ireo distrika roa ireo ny tenany. Ny 12% ambiny sisa no jerena ny fomba hanatanterahana azy, hoy ny Filoha. Izany dia vokatry ny fangatahan’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry avy any amin’iny Faritra iny. Efa atomboka, hoy izy, ny fikarakarana ny antontan-taratasy rehetra momba izany.

Araka ny fantatra, efa an-taonany maro no nangataka ny hametrahana izany faritra vaovao izany ny tomponandraikitra nifandimby tamin’ireto distrika roa amin’ny tapany avaratry ny Faritra Analanjirofo ireto. Nohamafisin’ny solombavambahoakan’i Maroantsetra sy ny Filoha lefitry ny Antenimierandoholona misahana ny tapany Avaratra, Eric Besoa izany fangatahana izany nandritra ny fitsidihan’ny Filoha tany an-toerana. Ambatosoa no anarana efa neritreretina hatramin’izay hampitondraina izany Faritra izany. Ity no Faritra faha-24 raha voapetraka, taorian’ny Faritra faha-23 tamin’ny fizarana an’i Vatovavy sy Fitovinany ho Faritra roa ny taona 2022.

Atao, hoy ny Filoha, ny fametrahana Faritra vaovao mba hahafahan’ireto distrika ireto manana fahaleovan-tena amin’ny fampandrosoana sy lafiny fisitrahan’ny vahoaka ny tolotra amin’ny sampan-draharaham-panjakana. Araka ny fanazavana, Faritra manan-karena i Mananara Avaratra sy Maroantsetra saingy lavitra sy saro-dalana. Lany fotoana sy lany vola be ny mponina rehefa misy zavatra tsy maintsy karakaraina any an-drenivohitry ny Faritra ao Fenoarivo Atsinanana hatramin’izay. Hivaha izany olana izany rehefa mipetraka ny Faritra vaovao, araka ny nambaran’ny Filoha. Ho afaka misitraka fotodrafitrasa sy mampidi-bola ho azy ny Faritra ary afaka mamaly ny filan’ny mponina ao aminy.

Fitokanana sy fanamboarana fotodrafitrasa

Nanombohan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ramatoa vadiny, Mialy Rajoelina ny dian’izy ireo tao amin’ny Faritra Analanjirofo, ny sabotsy teo, ny fametrahana ny vato fototra hananganana ny kianja Manara-penitra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Anjahana izay fangatahana manokana avy amin’ny tanora tao an-toerana. Manomboka avy hatrany izany asa izany ary ho vitaina ao anatin’ny enim-bolana. Ho fanatrarana ny fanamby amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo kosa dia nanambara ny Filoham-pirenena fa harenina ireo toho-drano maromaro izay manondraka ny lemaky Maroantsetra mba hanampy ny vahoaka, sy ny distrika manodidina, amin’ny fampiroboroboana ny fambolena, indrindra ny fambolem-bary. Anisan’ny hisitraka ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ihany koa ny isan-tokantrano ao amin’ity kaominina Anjahana ity.

Etsy ankilany, ny lalam-pirenena fahadimy dia lalan-drà mampitohy ara-toekarena ahafahana mampandroso Faritra maromaro, hoy ny Filoha. Nampahafantariny ny mponina ao Anjahana ihany koa fa efa manomboka ny asa fanamboarana izany lalana izany izay hampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra ary hotohizana hatrany Maroantsetra.

Ankoatra ireo, dia nisy fitokanana EPP manarapenitra, CSBII, Lalana rarivato, Biraon’ny Jono, sy ireo fitsidihana maro isan-karazany tao Maroantsetra.

Fermer