PolitikaSongadim-baovao

DEPIOTE FETRA RAKOTONDRASOA : Tsy misy antom-pisiana ilay sata hifampifehezana ara-pitondrantena

Nampahafantarina omaly ilay Sata hifampifehezana ara-pitondrantena eo amin’ny Mpanao politika sy ny Antoko politika eto Madagasikara, izay notarihin’ny fiarahamonim-pirenena “Friedrich-Ebert-Stiftung – FES”. Araka ny fanazavana, natao indrindra mba hisiana filaminana sy fifampitokisana eo amin’ny samy mpanao politika no nametrahana ity Sata ity, indrindra ho an’ny Firenentsika izay hiditra ao anatin’ny fotoan’ny fifidianana amin’ity taona ity. Antoko politika manodidina ny folo no efa naneho fahavononana hanasonia ity Sata ity, ahitana ny “TIM, HVM, MMM, RDS, MTS, Leader Fanilo, AVI, AREMA, TGV,  PSD”.

Omaly, nitondra ny fanehoan-keviny ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa. Nambarany fa zava-dehibe tokoa ny ananan’ny mpisehatra politika fitondrantena mandala ny filaminana sy ny fahamarinana, indrindra raha hiatrika fifidianana. Tena ilaina, ohatra, ny fanekena ny voka-pifidianana, ny fampiasana araka ny tokony ho izy ny vola mandritra ny zotram-pifidianana, sy ny sisa. Ny mampametra-panontaniana, hoy izy, dia ny antony hanaovana Sata manokana an’ireo, kanefa ireo rehetra voasoratra ao anatin’ny Sata hamoriana mpanao politika ireo, dia efa voalaza ao amin’ny Lalàna mifehy ny Antoko Politika izay mihatra eto amintsika ankehitriny, sy ny Lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka. Tsy misy antom-pisiany mihitsy, noho izany, ity Sata hifampifehezana ara-pitondrantena ho an’ny mpanao politika ity. Mahagaga koa, hoy ny Depiote Fetra Rakotondrasoa, raha toa ka Antoko Politika folo (10) monja no voantso tamin’io resaka io, kanefa misy antoko politika manodidina ny 400 isa eto amintsika.  Inona no mason-tsivana nisafidianana ireo folo? Ary farany, nahitsy ity Solombavambahoaka ity raha nilaza fa heverina ho fitadiavambolan’ny fiarahamonim-pirenena ny mamolavola hetsika tahaka ireny. Andrasana, araka izany, ny ho tohin’ny raharaha…

Fermer