PolitikaSongadim-baovao
ADY AMIN’NY KOLIKOLY : Hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo mpitsara ao amin’ny PAC
Araka ny lalàna mifehy ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (PAC), dia tsy maintsy misy ireo fanofanana manokana omena ny mpitsara vaovao amin’ny fotoana fandraisana asa voalohany. Notanterahina ny 06 jona teo ka hatramin’ny 08 jona 2023 omaly izany. Atrikasa narahina fampiofanana no natao, izay nifanoloran’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly tanana, isan’izany ny Komity Mitandro ny fahitsiana (CSI), Antokon-draharaha misahana fanagiazana ireo harena tsy ara-dalàna (ARAI), ary ny Sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana (SAMIFIN).
« Amin’ny maha mpitsara dia efa misy ireo fepetra mifehy ny asan’ny mpitsara amin’ny ankapobeny, fa amin’ny maha miady amin’ny kolikoly azy dia misy ireo lalàna mifehy manokana ny PAC sy ireo rafitra miady amin’ny kolikoly amin’ny ankapobeny, izay mila fehezina », hoy ny Mpandrindra Nasionaly ny PAC, Ramatoa Rabarijohn Rivonandrianina. Raha ny fanazavany, ankoatra ny lalàna mifehy ny PAC, dia misy ny « chambre de saisie et de confiscation », izay tsy misy any amin’ny fitsarana tsotra fa PAC ihany no misy azy. Ka izany indrindra no ilàna ny fanamafisana fahaiza-manao amin’ny fotoana handraisana asa voalohany toy izao.
Randriah.



