PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA MANGARAHARAHA SY DEMOKRATIKA : Vonona hanohana ara-bola an’i Madagasikara ny Firenena frantsay
Manatanteraka fitsidihana any Eoropa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ankehitriny. Nihaona tamin’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron ny tenany omaly 9 jona 2023 tao amin’ny Lapan’i Elysée. Niompana indrindra amin’ny fanamafisana ny fiarahamiasa ara-toekarena sy ara-diplomatika misy eo amin’ny firenena roa tonta ny fihaonana, indrindra mahakasika ny fiatrehan’i Madagasikara ny fifidianana amin’ity taona ity.
Tafiditra indrindra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Filoha Andry Rajoelina, ao anatin’ny fitsidihana tanterahiny any Eoropa ankehitriny ny fihaonana tamin’ny Filoha frantsay Emmanuel Macron omaly, tao amin’ny Lapan’i Elysée. Nandritra izany no nanambaran’ny Filoha frantsay fa manohana tanteraka ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny fikarakarana fifidianana malalaka, mangarahara sy demokratika ny Fanjakana frantsay. Ity farany izay naneho fahavononana ihany koa handray anjara ao anatin’ny “Basket fund”, na ilay tahirimbola manokana handrotsahana ireo fanampiana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombona antoka samihafa manerantany izay hanampy amin’ny fampanjariana ny fifidianana eto amin’ny tany sy ny firenena. Efa niditra tamin’izany isika tamin’ny taona 2018, raha tsiahivina. Ankoatra izay, handefa mpanara-maso fifidianana aty Madagasikara ihany koa i Lafrantsa, ary hanentana ny Vondrona Eoropeanina mba hanao toy izany koa, araka ny tatitra.
Fitaterana anabakabaka
Ankoatra izay, nanamafy ihany koa ny Filoha frantsay, nandritra ity fihaonana ity, fa i Frantsa dia manohana feno ny fanatanterahana ny asam-pampandrosoana rehetra ao anatin’ny Planina Enti-Mampandroso an’i Madagasikara ( PEM). Etsy ankilany, nanamafy ny fiarahamiasan’i Frantsa amin’ny fanohizana ny fandaharanasa famatsian-drano any Atsimo koa ny Filoha frantsay. Nandritra ny fihaonana koa no nanambaran’ny roa tonta ny vinavinam-piarahamiasa ao anatin’ny fijerena ireo paikady ho an’ny fitaterana anabakabaka, dia ho an’ny Madagascar Airlines sy ny Airbus. Maniry handray anjara amin’ny fivadihana amin’ny fampiasana angovo madio azo avy amin’ny masoandro i Frantsa, araka ny fihaonana omaly. Vonona hanohana antsika koa izy ireo eo amin’ny politika momba ny fitaterana an-dranomasina. Fotoana izay nanambaran’ny Filoha malagasy ny efa maha zava-dehibe fanaovana ho maoderina ny “Naval Secren”. Ny Fihaonana an-tampony, ny 22 et 23 Jona 2023 izao no handrosoana mankany amin’ny votoatiny kokoa mahakasika an’ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny roa tonta ireo.
Tsara ho fantatra fa aorian’iny fihaonana teo amin’ny Filoha Rajoelina sy ny Filoha Macron dia handray anjara amin’ny andiany faha 111 ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny asa ihany koa ny Filoham-pirenena, ny 14 sy 15 jona 2023 any Genève. Ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT) no mikarakara ity fihaonana lehibe ity ary ny fandraisana anjaran’i Madagasikara dia hampisongadina ireo fanavaozana nentina eo amin’ny fampiharana ny zon’ny mpiasa.




