PolitikaSongadim-baovao

FANAVAOZANA NY LISITRY NY MPIFIDY: 10 768 137 ireo efa voasoratra anarana, mbola manana 20 andro ireo olom-pirenena

Nanao ny tatitra ny asa vita, hatramin’ny 10 Jona teo, ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (Refonte) ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly, teny Alarobia. Nivoitra tao anatin’izany fa miisa 10 768 137 mpifidy efa voasoratra anarana ao anatin’ny lisitra. Mbola hanana 20 andro kosa ireo olom-pirenena feno taona hisoratana anarana ao anatin’ny lisitra, ary hanaovana fanamarihana sy fanamarinana, raha ny fanazavana.

Fahombiazana! Io no tsoa-kevitra nambaran’ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) taorian’ny fanaovan’ny Filohany, Dama Arsène Andrianarisedo, tatitra omaly mahakasika ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Araka ny tarehimarika, mitotaly 10 768 137 ireo mpifidy voasoratra anarana ao anaty lisitra hatramin’ny 10 Jona teo, araka ny fanazavana. Raha ny tarehimarika azo tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE 2021 – 2023) no iverenana, dia niisa 10 749 934 ireo voasoratra anarana. Midika izany fa efa nihoatra ny “RALE” farany ny antontanisa azon’ny Ceni hatreto, ka nanambaran’izy ireo fa nahomby ny asa nosahaniny.

Araka ny tatitra hatrany, 78 amin’ny Distrika 119 no mihoatra ny vokatra raha oharina tamin’ny taham-pisoratana anarana tamin’ny “RALE”. Nomarihin’ny Ceni kosa fa mbola misy mpifidy miisa 88 255 tsy voarakitra anaty solosaina (tsy vita saisie) eny anivon’ny CID (Centre Informatique de District), izay mbola tokony hanampy ireo 10 768 137.

Famaranana tanteraka, 20 jolay

Nampahafantarin’ny Filohan’ny Ceni omaly ny voalazan’ny Lalàna fehizoro 2018-008 mifehy ny fifidianana sy ny fitsapa-kevi-bahoaka eto amintsika, izay milaza fa azon’ny olompirenena atao ny manamarina sy mametraka fitarainana raha toa ka misy tsy fahatomombanana hitany ny mombamomba azy ao anaty lisitry ny mpifidy. Noho izany, averina eny amin’ny Fokontany ny lisitra nofaranana teny amin’ny Distrika ny 10 jona lasa teo. Aorian’izay, manana 20 andro ny olompirenena hisitraka ny zony, hanamarina sy hametraka fitarainana rehefa tonga eny amin’ny Fokontany ny lisitra. Ary izay feno 18 taona talohan’ny 10 jona 2023 ka manana karapanondro sy voasoratra ao anaty rejisi-pokontany ary tsy noverezin-jo dia afaka misoratra anarana ihany koa ao anatin’io fe-potoana 20 andro io. Izay vao nahazo karapanondro taorian’ny 10 jona kosa dia tsy afaka soratana intsony. Ny 17 jolay no hofaranana tanteraka eny anivon’ny Distrika ny lisitra misy tovana. Ny 18 sy 19 jolay no fanadiovana ny lisitra any amin’ny Ceni foibe, ary ny 20 jolay kosa no famaranana tanteraka ny rejisi-pifidianana nasionaly.

Tsy misy ahina ny tetibola!

Nandritra ny fihaonana omaly ihany koa no namalian’ny Filohan’ny Ceni ny fanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny tetibola hiatrehana ny fifidianana. Nambarany fa tsy misy ahiana ny mahakasika ny tetibola na dia teo aza ny tsy fisian’ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2023. Efa mazava, hoy ny Filohan’ny Ceni, ny fanazavana nataon’ny Praiminisitra fa misy fombafomba azo atao raha toa ka misy andrimpanjakana manana filàna ara-bola mihoatra izay efa voafaritra ao anatin’ny tetibola tany am-piandohana. Ankoatra izay, mbola mandeha ihany koa ny fifampiresahana sy ny adihevitra amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny amin’izany tetibolan’ny fifidianana izany ankehitriny.

Fermer