Songadim-baovaoSosialy

FITATERANA AN-TARIBY (TPC): Hisy ny andrana voalohany amin’ny Lalaon’ny Nosy

Efa mihatonga tsikelikely ankehitriny ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fanatanterahana ny tetikasa “Téléphérique” na ilay fitaterana an-tariby (TPC). Anisan’ireo efa fa tazana etsy amin’ny toerana hametrahana ny Gara etsy Anosy izao ny “cabine” hitondra ireo mpandeha amin’izany fitaovam-pitaterana vaovao eto an-drenivohitra izany. Ankoatra izay, dia mbola maro koa ireo ho avy sy efa andalana, araka ny nambaran’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Gérard Andriamanohisoa, omaly. Mandroso hatrany, araka izany, ny asa. Ary efa fototra “pylône” miisa roa no efa tafapetraka ankehitriny, araka ny tatitra hatrany, dia ny eo amin’ny zaridainan’Ampefiloha sy ny eo amin’ny Gara. “Hojerena ny lafiny ny teknika. Ary ezahana ny ampihodinana ny fitaterana an-tariby hatreo Soarano hatramin’ny Lalaon’ny Nosy amin’ny volana Aogositra izao”, hoy hatrany ny SENVH.

Ireo rehetra ireo no nivoitra nandritra ny fitsidihana ny fandrosoan’ny asa natao tetsy Anosy, niarahan’ny SENVH sy ny Filoha Tale Jeneralin’ny Orinasa POMA izay mandalo eto Madagasikara ankehitriny. Mbola nohamafisin’ny SENVH Gérard Andriamanohisoa fa tsy miala amin’ny fitaterana manarana ny toetr’andro isika eto an-drenivohitra noho ny fitomboan’ny mponina sy ny hamaroan’ny fivezivezena amin’ny ankapobeny. Hamaha olana maro amin’ny fifamoivoizana eto Antananarivo, noho izany, ny fahatanterahan’ity tetikasa ity.

Fermer