PolitikaSongadim-baovao
MPITONDRA TENIN’NY FILOHA : « Mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy ny Filohan’ny Repoblika »
Misy dingana tsy maintsy arahina sy hajaina vao afaka manala ny zom-pirenena malagasy amin’ny olona iray na olon-tsotra io na manampahefana, araka ny lalàna manan-kery. Ilay voakasika no mangataka hanary ny zom-pirenena malagasy ary mila ankatoavin’ny Governemanta amin’ny alalan’ny didim-panjakana izany, araka ny fanambaran’ny Mpitondra tenin’ny Filohan’ny Repoblika, Lova Hasinirina Ranoromaro ny sabotsy teo. Noho izany, ady hevitra diso hoy izy, ka tokony hajanona ny filazana fa tsy malagasy sy tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy intsony ny Filoha Andry Rajoelina. Ny fotokevitra telo nambaran’ny minisitry ny Fitsarana malagasy no nohamafisiny tamin’ny fanazavana ny lafiny lalàna. Voalohany amin’izany ny andininy faha-43 amin’ny Fehezan-dalàna momba ny Zom-pirenena malagasy izay milaza fa ny malagasy rehetra dia afaka mizaka zom- pirenena vahiny. Ny andininy faha-42 no milaza fa ny filoham-pirenena dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy. Ny mikasika ny fahaverezan’ny zom-pirenena malagasy no teboka fahatelo. Raha manatevin-daharana ny Tafika vahiny ny olona iray dia manary ny zom-pirenena malagasy. Ankoatra izay, mila manao fangatahana ny hanary ny zom-pireneny ny olona iray; ary amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisin’ny governemanta vao manan-kery izany. Notsipihiny fa tsy maintsy vakina miaraka ny andiny faha 42 sy ny faha 46.
«Malagasy ray sy reny ary mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy sy manana fitiavan-tanindrazana ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny mpitondra tenin’ny Filoham-pirenena, ny sabotsy teo teny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra, raha nitondra fanazavana momba ny ady hevitra mikasika ny fananan’ny Filoha zom-pirenena hafa ankoatra ny zom-pirenena malagasy.
Ny Fanoratana.




