PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERAM-PIRENENA: Misy fangatahana fanesorana mpikambana vitsivitsy ao amin’ny Birao maharitra
Hafana ny eny amin’ny Antenimieram-pirenena anio! Raha ny fandaharam-potoana efa mipetraka dia fihaonana eo amin’ny Depiote sy ny Governemanta no hitranga amin’ity anio ity. Raha ny vaovao re anefa dia misy Solombavambahoaka manan-kevitra ny hanolo ireo mpikambana sasany ao amin’ny Birao maharitra, izay hita fa tsy manaraka intsony ny fitsipipifehezan’ny Antoko.
Ireo Solombavambahoaka maro an’isa, na ireo Depiote ao anatin’ny Vondrona parlemantera IRD no mitaky izany, ary araka ny loharanom-baovao marim-pototra, dia niainga avy amin’ny Filohan’ity Vondrona parlemantera miaradia amin’ny Filohan’ny Repoblika ity, io fangatahana fanesorana mpikamban’ny Birao maharitra vitsivitsy io. Anton’izany, dia voalaza fa noho ny fandikana miverimberina ny Fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena. Tsy manaraka intsony ny fitsipipifehezan’ny Antoko nahalany izany ireo mpikamban’ny Birao maharitra sasany ireo ka nahatonga izao fangatahana izao, araka ny loharanom-baovao. Ny Kestora voalohany ihany koa dia voakasik’izany, noho ireo fanakianana maro izay mahakasika azy momba ny fitantanana eny amin’ny Antenimieram-pirenena, raha ny angom-baovao hatrany.
Araka izany, efa naharay io tamberim-pandraisana (récépissé) momba io fangatahana io, araka izany, ireo Solombavambahoaka voalaza. Araka ny andininy faha-78 mandrafitra io Fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena io, anefa, dia ahina ny haharava ny fandaharam-potoana efa tapaka farany tao amin’ity Andrimpanjakana ity, anatin’izao fe-potoana farany amin’ny fanatanterahana fivoriana ara-potoana izao voatendrin’ny lalàna fototra izao. Fantatra anefa, fa anisany zava-dehibe ny fifanatrehana eo amin’ireo Solombavambahoaka sy mambran’ny governemanta, saingy voalazan’io andininy faha-78 ao anatin’ny Fitsipika anatiny io, dia miendrika “hamehana” ity fangatahana fanesorana mpikambana ity. Voalaza ao, fa « raha misy hamehana dia mandroso avy hatrany ny fandinihana izany, araka ny fahitan’ireo Solombavambahoaka na azo dinihana na tsia, amin’ny alalan’ny tsangan-tanana hatrany”. Raha tapaka fa irosoana ny fandinihana io hamehana io, dia ny tsangan-tanana hatrany no mamarana na handany na tsia io fanesorana Mpikamban’ny birao maharitra io, raha ny fanampim-panazavana. Fantatra, araka izany, fa ny 2/3-n’ireo Depiote no andrasana handray anjara amin’ity fandaniana fanesorana mpikambana vitsivitsy anatin’ny birao maharitra ity, izany hoe Depiote miisa eo amin’ny 101 eo.
Ho simba ny fandaharam-potoana efa tapaka?
Voaelingelina, araka izany, ny fifanatrehana tokony handeha manomboka anio, na ny « face à face » eo amin’ireo Mpanatanteraka sy Mpanao lalàna, raha efa voafaritry ny fandaharam-potoana nolaniana talohan’ny fankalazana ny 26 jona 2023 teo. Tsiahivina, fa anisany antony nambaran’ireo Solombavambahoaka tamin’izany, ny antony tsy nanatanterahana io fifanatrehana io talohan’ny 26 jona teo iny, noho izy ireo samy hamonjy andro vitsy mialoha any amin’ny distrika nahalany azy avy, hankalaza iny Fetim-pirenena teo iny. Tsiahivina ihany koa, fa tsy misy afa-tsy anio alakamisy sy rahampitso zoma, sisa, no fotoana farany hisian’ity fivoriana ara-potoana ity, araka ny voalazan’ny lalàna, ary rahampitso zoma no hanakatonana amin’ny fomba ofisialy izany.
Stan R. sy LR.




