KolontsainaPolitikaSongadim-baovao
ROVAN’I MADAGASIKARA : Andraisana fepetra ireo mpitari-dia tsy ara-dalàna
Nanodidina ny 10 000 isa ireo mpitsidika ny Rovan’i Madagasikara tao anatin’izay sivy andro nisokafany izay. Tarehimarika izay nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa ambony indrindra raha teo amin’ny tantaran’ity harembakoka ity. Midika izany fa mahaliana ny vahoaka ny fanavaozana sy ny ezaka fanatsarana rehetra natao teny an-toerana, hoy hatrany ny fanazavana. Ny olana anefa, araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy omaly, dia ny fisian’ny andian’olona mitonona ho mpitaridia ao amin’ny Rova, izay mijanona aty ivelan’ny Rova. Ka vao tamy avy lavitra ireo mpitsidika, na teratany malagasy na vahiny, dia sakanan’izy ireo ary hakan’izy ireo vola vao tafiditra ao anatin’ny Rova. Misy koa ireo mitonona ho mpitaridia ireo no mody mirotsaka an-tsehatra mividy ny tapakila ho an’ireo mpitsidika kanefa vola mihoatra lavitra amin’ny tokony haloa no alainy any amin’ireo mpitsidika. Izany hoe, hakany tombony.
Manoloana izany, tsy maintsy nandray fepetra ny Minisitera tomponandraikitra satria manaratsy endrika ny ezaka natao ho fisokafan’ny Rova indray izany. Nohamafisin’ny Minisitra fa tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina izany ireo mitonona ho mpitaridia ireo. “Tsy misy mpitaridia nahazo fankatoavana avy amin’ny Minisitera hatreto”, hoy ny fanazavany. Fotoana nampahafantarany fa efa mandeha ny antso tolotr’asa ho an’izay hisahana ny asa maha mpitaridia matihanina eny an-toerana. Afaka mamaly izany antso tolotr’asa izany ireo olona mitonona ho mpitaridia ireo, hoy ny Minisitra, ary raisina raha toa ka mahafeno ny taky ao anatin’ny tolotra. Notsindriany fa ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina irery ihany, amin’ny alalan’ny Ofisian’ny Rovan’i Madagasikara (ORMADA), no manome fankatoavana ny mpitaridia miasa eny an-toerana.
Tsy azo ekena, hoy ny Minisitra, ny fitakiana vola mihoatra ny tokony haloa. Manoloana ny tranga, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nametraka fitoriana an’ireo andian’olona ireo izay manakorontana ny mpitsidika eny amin’ny Rova. “Aminay dia efa fanohintohinana filaminam-bahoaka mihitsy no ataon’izy ireo. Efa misy ny hanaovana fanadihadiana eo anivon’ny mpitandro filaminana ankehitriny”, araka ny fampitam-baovao.




