KolontsainaPolitikaSongadim-baovao

TOLO-DALÀNA MOMBA NY ZON’NY MPAMORONA : Hiverina hodinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena indray

Naharitra ora efatra teo ho eo ny adihevitra tetsy amin’ny Antenimierandoholona omaly nandritra ny fivoriana itambarambe azon’ny besinimaro natrehina, nandinihina sy ny nandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny Tolo-dalàna laharana faha 002-2022/PL tamin’ny 01 jona 2022 manavao ny Lalàna laharana faha 94-036 mahakasika ny « propriété littéraire et artistique » izay natolotry ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Antananarivo IV, Rahasimanana Paul Bert. Taorian’ny adihevitra dia nolanian’ireo Loholona niaraka tamin’ny fanovana maromaro avy amin’ny Governemanta izany. Izany hoe, tsy maintsy mbola hiverina hodinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena indray, noho izany, ity tolo-dalàna ity amin’ny fotoam-pivoriana manaraka.  

« Autorité administrative indépendante » ?

Araka ny fanazavan’ny Depiote Rossy, tompon’ny tolo-dalàna, isan’ny fanovana entin’ity tolo-dalàna ity ny fisitrahana ny zon’ny mpamorona ho an’ny mpamorona sy ny artista mpindrana (interprète) na ireo misehatra amin’ny tontolo ara-kajy mirindra satria mivoatra manaraka ny toetr’andro ny tontolon’ny famoronana. Eo koa ny fanamafisana ny sazy omena ny mpanao hosoka sy ny onitra takiana aminy. Ary ny fangatahana ny fahaleovantenan’ny rafi-pitantanana ny zon’ny artista amin’ny alalan’ny fananganana ny “Autorité Administrative Indépendante” izay tsy hanakana velively ny fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Teo indrindra no tsy nampitovy hevitra ny Mpitondra ny tolo-dalàna sy ny Minisitera satria tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana izany fananganana rafitra « Autorité administrative indépendante » izany. Ity farany rahateo izay tsy mbola misy lalàna mifehy azy raha eto Madagasikara. Araka ny voalazan’ny tolo-dalàna dia atao eo ambany fiahian’ny Fiadidiana ny Repoblika io rafitra vaovao vao hatsangana io. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Minisitera anefa dia tsy ara-dalàna izany, satria ny Filohan’ny Repoblika dia tsy natao hisahana rafitra mikasika sehatra manokana toy izany. Raha ny lalàna no ifotorana, hoy ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, dia ny Minisitera misahana ny Kolontsaina no misahana ny rafitra mpitantana ny Zon’ny mpamorona, dia ny OMDA izany. Soso-kevitra efa natolotry ny Minisitera an’ireo artista hatrany ny tokony hananganana « Société d’auteur » mahaleotena, tsy miankina amin’ny Fanjakana, raha toa ka maniry ny hisintaka eo ambany fiahian’ny Minisitera.  

Fanazavan-kevitra araka ny lalàna

Nandritra ny adihevitra rehetra nifanesy, ny ekipan’ny minisitera, notarihin-dRamatoa Minisitra dia nijanona tanteraka tamina fanazavan-kevitra araky ny lalàna sy tamin’ny lafiny tekinika manodidina io tolo-dalàna io, ary nilaza mazava ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina fa ho fitandroana ny fihavanana dia tsy naniry mihitsy ny hitondra ny adihevitra teo amin’ny lafiny politika. Nanamafy ihany koa izy fa tsy manana olana na amin’ny tompon’ny tolo-dalàna na amin’ireo mpanakanto mihitsy na kely aza, fa mikendry fotsiny ihany ny hanatsarana ny fitakiana sy fitsinjarana ny zon’ny mpamorona. Izany rahateo no nahatonga azy tsy mba namaly mihitsy ny fanendrikendrehana na fanenjehana natao mikasika ity olana ity mba ho fiarovany ny Filohan’ny Repoblika ihany koa, satria tsy misy antony tokony hifandrafiana fa hevitra ihany no tsy hitovizana.

Eo anatrehan’izany, mandrapiandry ny fahavitan’ny dingana rehetra amin’ny fandinihina eny anivon’ny parlemanta ity tolo-dalàna ity, sy izay ho fandinihan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana azy dia manohy ny asany hatrany eo amin’ny fitantanana ny zon’ny mpamorona ary manohy hatrany ireo ezaka fanatsarana sy fanovana (na réforme) eo anivony ny OMDA.

Fermer