Songadim-baovaoSosialy
FANADINAM-PANJAKANA: Mpiadina miisa 305 836 hiatrika ny BEPC manomboka anio
Amin’ity anio ity no daty voafaritra fa hanombohan’ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ny Nosy. 305 836 ireo hiatrika izany ka misy ny fepetra vitsy napetraka ho fampandehanana amin’ny antsakany sy andavany ny fanadinana.
Ankizy miisa 305 836 no nisoratra anarana hanatanteraka ny fanadinam-panjakana BEPC ho an’ity taom-pianarana 2022-2023 ity. Hiparitaka any amin’ireo ivon-toeram-panadinana miisa 9 054 manerana ny Nosy izy ireo. Ary tsara ho fantatra fa teratany vahiny ny 47 amin’ireo mpiadina. Amin’ireo mpiadina BEPC miisa 305 836 manerana ny Nosy, 149 956 amin’izy ireo no nisafidy ny sokajy “Option A” ary 155 880 kosa no niandany any amin’ny sokajy “Option B”. Hita taratra amin’izany fa tsy mifanalavitra loatra ny antotanisa eo amin’ny roa tonta. Isan-taona aza, manatombo isa ry zareo avy amin’ny “Option A”. Marihina fa mampiavaka azy roa ireo ny hoe mijanona eo amin’ireo taranja siantifika kokoa ny an-dry zareo ao amin’ny “Option B” ary tsy manao ny adina momba ny anglisy, “allemand”, na “espagnol” izy ireo. Tsy maintsy misafidy iray amin’ireo tenim-pirenena hafa ireo kosa ny “Option A”. Na adika tsotra hoe somary literera kokoa izy ireo.
Manavanana ny taranja Malagasy
Araka ny tafa nifanaovanay tamin’ireo mpianatra sasany ao amin’ny kilasy fahasivy, nanambara ny ankamaroany fa ny taranja Malagasy hatreto no manavanana kokoa azy ireo ny miatrika azy. Mifanohitra amin’ny taranja matematika izay mbola mampitaraina mpianatra maro ny hasarotany amin’izao fotoana. Ho an’i Rova manokana, ohatra, tovolahy mpianatra ao amin’ny CEG (Collège d’Enseignement Général) Avaradoha, nohazavainy fa hainy kokoa ny taranja malagasy satria ny tenin-drazantsika ihany no miasa amin’izany ka tsy manahirana loatra ny famoahana hevitra.
Ny Fanoratana.



