PolitikaSongadim-baovao
FAMETRAHANA NY FITSINJARAM-PAHEFANA : « Efa ao anatin’ny fanatanterahana isika fa tsy kabary fotsiny », hoy Andry Rajoelina
Nitarika ny Vovonana nasionaly mikasika ny fitsinjaram-pahefana etsy amin’ny ivontoeram-pivoriana CCI Ivato ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, omaly. Ity Vovonana ity no hakana fankatoavana an’ilay drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE). Nandritra ny fotoana kosa no nitanisan’ny Filoha ireo asa sy ny ezaka rehetra efa nataon’ny Fitondrana tarihiny ho fampiharana izany fitsinjaram-pahefana izany eto amin’ny firenena.
Tsy atao resaka na atao kabary fotsiny ny fitsinjaram-pahefana fa iainana sy tanterahina, hoy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina omaly, raha nanokatra ny Vovonana nasionaly momba ny fitsinjaram-pahefana, tetsy Ivato. Izany indrindra, hoy izy, no nametrahana ny Velirano faha-12, dia ny fizakantena sy ny fanomezana andraikitra ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Tanjona napetraka ny fametrahana ny “présence de l’Etat », izay mifototra amin’ny fametrahana fotodrafitrasa manakaiky ny vahoaka sy ilain’ny vahoaka. Maro no efa vita tamin’izany, toy ny sekoly sy hopitaly, kianja, biraom-panjakana. Ireo rehetra ireo no nilazan’ny Filoha Rajoelina fa efa ao anatin’ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana isika fa tsy kabary fotsiny intsony.
Ao anatin’izay asa natao ho fampiharana ny fitsinjaram-pahefana izay hatrany, notsiahivin’ny Filoham-pirenena ny nametrahana ireo Faritra roa vaovao, nandritra izao fepotoam-piasany izao. Izany no natao dia noho ny fahatsapana fa mila atao manakaiky ireny distrika lavitra sy saro-dalana ireny ny fampandrosoana. Isan’ny napetraka ny Faritra Vatovavy. Ary vao lany teny amin’ny Antenimiera roa tonta koa ny fametrahana ny Faritra Ambatosoa. Notsiahivin’ny Filoha omaly koa fa ny tenany no nitondra fanavaozana indray ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo sy ny Lapan’ny Tanànan’i Toamasina izay lasa fakan’ny mpitsidika sary ankehitriny noho ny hakanton’ny toerana. Tsy ireo ihany anefa fa Kaominina miisa 43 hafa koa no nanaovana birao manarapenitra, toa an’i Maevatanana, Bekily, Mahanoro, sy ny sisa. Na eo aza anefa ireo, niaiky ny Filoha fa mbola betsaka ny asa miandry.
Faritra roa vaovao…
Tetsy ankilany, nanamafy ireo teboka voalazan’ny Filoha ireo ny lahatenin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana omaly. Nambarany fa na dia mbola tsy nisy aza ny fikaonandoham-pirenena dia efa maro ireo asa natao hanomezan-danja izany fitsinjaram-pahefana izany. Tsy nisy ny Faritra hadino fa samy nahazo ny anjarany amin’ny fampandrosoana. “Tsy miandry ny fahavitan’ny PNDE ny Governemanta vao nanomboka ny asa rehetra nilain’ny vahoaka fa efa natao izay tratra mba hampandrosoana ny firenena”, hoy ny Minisitra Tokely Justin. Isan’ny asa nisongadina nandritra izao fitondrana izao ny fametrahana ireo Governora amin’ny Faritra 23. Tsy notendrena sy napetraka fotsiny izy ireny fa nisy ny tohana ara-pamatsiambola sy ara pitaovana nomena azy ireo. Isan’izany ny fanomezana famatsiambola mitentina 2 miliara ariary nentina nanaovana lalana rarivato sy fotodrafitrasa samihafa ilain’ny vahoaka. Nampitomboana ihany koa ny vola fanampiana ireo Kaominina sy Faritra. Ho an’ny faritra dia 420 tapitrisa ariary izany, izany hoe, nampitomboana avo roa heny. Ho an’ny kaominina, raha 15 tapitrisa ariary izany teo aloha, dia 30 tapitrisa ariary izany ankehitriny. Nisy koa ny fanomezana mivantana fitaovana fanamboaran-dalana ho an’ny Faritra tsirairay. Ankoatra ireo, efa mandeha ihany koa izao ny tetikasa Mionjo izay hiaraha-miasa amin’ny Banky iraisampirenena, any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Anosy sy Androy.




