PolitikaSongadim-baovao

FANATANTERAHANA NY FIFIDIANANA : Nanolotra 2 tapitrisa Euros ny Vondrona Eoropeanina sy ny Firenena frantsay

Raikitra ny fifidianana ! Na dia mbola tsy nivoaka aza ny Didim-panjakana manaika ny mpifidy amin’ny fandrotsaham-bato, dia efa naneho fahavononana amin’ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ireo Mpiara-miombona antoka. Omaly, samy nilaza ny Vondrona Eoropeanina sy ny firenena frantsay fa handrotsaka iray tapitrisa euros avy ao anatin’ny Kitapom-bola iombonana hamatsiana ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara.

Taorian’ny antso nataon’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (PNUD) momba ny fisian’ilay kitapombola iombonana (Basket fund) hamatsiana ny fifidianana eto Madagasikara, ny faraparan’ny volana jona lasa teo, dia namaly ny antso ary nitondra ny anjara birikiny avy hatrany amin’ny famatsiam-bola ny fifidianana ny Vondrona Eoropeanina sy ny Firenena Frantsay ary i Allemagne. Nampahafantarina omaly ireo fanampiana omen’izy ireo ireo, ka araka ny fanazavana dia handrotsaka 1 tapitrisa euro ny Vondrona Eoropeanina, ary handrotsaka 1 tapitrisa euro tahaka izany koa ny Firenena frantsay. Ny Masoivohon’i Allemagne kosa, tetsy ankilany, nanambara fa efa nanokana tetibola 3 tapitrisa euros ho an’ny fifidianana miisa 5 aty Afrika ny Firenena alemana. Ary ny fifidianana Filoham-pirenena eto Madagasikara dia tafiditra ao anatin’ireo hisitraka ny famatsiam-bola.

Tetibola 80 miliara ariary…   

Fanontaniana nanitikitika ny mpanara-baovao, araka izany, ny hoe efa manana tetibola iatrehana fifidianana marina ve ny Ceni ? Ampy ve ? sy ny sisa. Nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy amin’ny Ceni Alarobia no nanazavan’ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo, fa nihena ho 80 miliara Ariary ny tetibola ilain’ny Ceni amin’ny fanatanterahana fifidianana eto Madagasikara, raha 143 miliara Ariary izany tany am-piandohana. Antony maromaro no nahatonga io fihenana io , hoy ny filohan’ny Ceni. Anisan’izany ny fisian’ny fitaovana samihafa efa voavidy tamin’ny tetibola 45 miliara Ariary nampiasaina tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izay azo ampiasaina amin’ny fifidianana. Eo koa ny fandraisan’ny mpiara-miombona antoka teknika sy ara-bola anjara tamin’ny fanofanana sy fanohanana ny firaisamonim-pirenena amin’ny lafiny serasera sy fanabeazana ny olom-pirenena, izay nampidirina tao anatin’ny tetibola 143 miliara nofaritana tany am-boalohany.

Hatreto izany, dia efa manana an’ilay 40 miliara ariary voasarotra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2023 ny Ceni, miampy an’io 2 tapitrisa euros avy amin’ny mpiara-miombona antoka io. Nampahatsiahivin’ny Filohan’ny Ceni ny fanambarana nataon’ny Praiminisitra izay nilaza fa raha misy filana ara-bola na tsy fahampiana ara-bola mahazo ny Ceni dia azo atao ny manao fangatahana dia misy ny fombafomba hahafahana mamoaka ny vola.

Fifidianana madio, mangarahara, andraisan’ny rehetra anjara

Samy niray feo ireto Masoivoho telo nanao fanambarana omaly ireto ny tokony hisiana fifidianana malalaka, madio, mangaraharaha, ary handraisan’ny rehetra anjara, amin’izay fifidianana hotanterahina eto Madagasikara. Nambaran’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina, fa misy ireo ezaka takiana amin’i Madagasikara mba hahatrarana an’ireo vina ireo, izay nifandraika rahateo tamin’ny tolo-kevitry ny iraka mpanaramaso ny fifidianana avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, ny taona 2018, dia ny fahaleovantena ara-bolan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Eo koa ny resaka fahalalahana maneho hevitra. Voalaza koa fa tokony hotendrena ara-potoana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny HCDDED sy ny CCFVP izay samy rafitra mpanara-maso ny fiainam-pirenena sy ny Fanjakana tan-dalàna. Mila omena ny tohana ihany koa ireo rafitra ireo hahafahan’izy ireo manatanteraka ny asa ankinina aminy.

Fermer