PolitikaSongadim-baovaoSosialy

ANKOATRA IREO ASA EFA MANDEHA…: Ho amboarina ny ampahany hafa amin’ny lalam-pirenena sy eto an-drehivohitra

Noresahina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra manokana omaly, notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, ny mahakasika ny fanamboarana ny ampahany hafa amin’ireo lalam-pirenena vitsivitsy sy ny lalana eto an-drenivohitra, amin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ny Fanjakana madiodio. Voakasik’izany ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN6, RN7, RN9, RN11 ary RN14 sy ny lalana eto Antananarivo Renivohitra.  

Nisy ny Filan-kevitry ny Minisitra manokana notarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, omaly teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, izay natrehin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ny Minisitry ny Asa vaventy, ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny maha Mpitondra tenin’ny Governemanta azy. Lahadinika fototra nandritra izany ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN2, RN4, RN6, RN7, RN9, RN11 ary RN14 sy ny lalana eto Antananarivo Renivohitra. Ankoatra ny asa fanamboarana ampahany izay efa mandeha amin’izao fotoana izao amin’ireo lalampirenena ireo, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa hisy ampahany hafa fanampiny ihany koa hirosoana ny fanamboarana azy ary horaisin’ny Fanjakana an-tanana ny famatsiam-bola azy madiodio (ressources propres internes -RPI).

Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra manokana, dia efa misy ny asa fanamboarana mandeha amin’izao fotoana izao, fa manampy izany dia misy ampahan-dalana miisa 11 no nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra fa hirosoana ihany koa ny fanamboarana azy.

IREO LALAM-PIRENENA VOAKASIKA

Lalam-pirenena RN2:

• PK 11+000 ka hatrany amin’ny PK 78+100

• Lalana mandalo ny tampon-tananan’i Moramanga.

• PK 218+000 ka hatrany amin’ny PK250+000 eo anelanelan’Antsampanana ka

hatrany Brickaville

Lalam-pirenena RN4 :

PK403+000 ka hatramin’ny PK460+000

Lalam-pirenena RN6:

PK32 ka hatramin’ny PK409+100

Lalam-pirenena RN7:

PK258+000 mandalo an’Ambositra ka hatramin’ny PK311+000 Ambodiala

Lalam-pirenena RN9 :

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanombohana ny fanamboarana ny tetezana Mangoky, taorian’ny tolo-bidy dia ny orinasa CRBC izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana no hisahana azy. Hanomboka amin’ny faran’ny volana Jolay ny asa fanamboarana ity tetezana lava indrindra eto Madagasikara ity. Ankoatra izay dia efa madiva hifarana koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN9 ary hotokanana tsy ho ela.

Lalam-pirenena RN11 :

Fanamboarana ireo tena lavaka (points noirs) no hatao eo anelanelan’i Mananjary ka hatrany Nosy-Varika.

Lalam-pirenena RN14 :

• Fanamboarana ireo tena lavaka (points noirs) eo anelanelan’ny PK17 ka hatramin’ny PK 92 izay mandalo ireo faritra 2, Vatovavy sy Fitovinany ary tonga hatrany Ifanadiana sy Ikongo.

Fermer