Manokana Covid-19

RARINTSAINA SY VALANARETINA Ilaina ny fihetsika tony sy milamina

Mbola anatin’ny ady amin’ny valanaretina isika amin’izao fotoana, ary anatin’ny “Hamehana ara-pahasalamana” ihany koa. Maro, noho izany, ireo olona tratry ny rarintsaina (stress) na ireo mbola marary noho ny valanaretina covid izany, sy ireo manodidina azy, na ireo olona miatrika fiovam-piainana tampoka, noho izao vaninandro iainana izao. Miteraka fahasarotana eo amin’ny fiainana ny zava-misy iainan’ny isam-batan’olona ankehitriny. Raha teo amin’ny fihibohana isika teo aloha, dia azo lazaina fa nilamina, na teo aza ny olana naterak’izany satria lavitry ny rotoroton’ny fiainana. Na izany aza, teo ny fiasan-tsaina izay nahatonga rarin-tsaina matetika. Eo koa, anefa ny rotorotom-piainana amin’izao fivahan’ny fihibohana izao. “manoloana ny fivezivezena sy ireo karazan’olana maro samihafa, toy ny tsy fisiana, aretina, olana amin’ny sehatra samihafa iainana, dia teraka ho azy ny rarintsaina”, nanampy fanazavana ny dokotera Andriamirarinarivo Miarintsoa, médecin Addictologue et Psychoterapeute eo anivon’ny Aro aina. Araka izany, mety ho olana mitarazoka izany, na olana mandalo, na koa miverimberina, ka mila fitandremana. Fantatra ary, fa ny fitambaran’ny fihetseham-po miiba anatin’ny olona iray no mahatonga rarintsaina. Fa eo koa ny tahotra, tahotry ny zava-misy tany aloha, ary fanahiana ny ho avy. Eo koa ny tebiteby noho ny olana maro isan-karazany, izay mety mahatonga fiakaran’ny tosi-drà ihany koa. Eo koa ny rotorotom-piainana, ny tsy fahaiza-manaiky ny zava-misy, ary ny tsy fahaizana miala amin’ny fomba mahazatra tsy mahatonga fahasalamana mifindra. Misy fiantraikany ratsy, anefa, io rarintsaina io amin’ny vatana, raha ny fanampim-panazavan’ny dokotera. Ohatra, ireo mbola tsy nahazo covid fa miatrika ny olona akaiky azy efa voa, na lavo, dia mahatonga fitaintainana. Mety mahatonga tsy fahasalamana tampoka izany, fivalanana tampoka, aretim-bavony, miakatra tosi-drà na mijanona fo tampoka. Nambara koa, fa “ny rarin-tsaina dia tsy mampitombina ny baiko omen’ny ati-doha, ka mahatonga fikorontanan-tsaina lalina”. Misy, araka izany, ireo fihetsika tokony hovaina amin’ny fomba fanao mahazatra, izay tsy mahasoa eo amin’ny ara-pahasalamana. Koa satria tsy mifidy tavan’olona na taona na saranga ny rarintsaina, ilaina ny mandamina fotoana amin’izay atao rehetra. Izany dia hisorohana ny firotorotoana. Alamina koa ny fotoana fisakafoanana ampy sy ara-potoana. Ilaina ny fanekena ny zava-misy, ary ny tsy fanekena izany dia mahatonga firaiketan’ny rarin-tsaina anaty, ary mahatonga fihetseham-po miiba. Nohamafisin’ny dokotera Miarintsoa, fa “mila mijery ny tsara hatrany eo amin’ny fiainana, mba tsy hahazoana rarintsaina. Ilaina koa ny tsy fitadiavana ny lafatra hatrany, tsy handiso fanantenana ka hampisy rarintsaina”.

Nitondra fanazavana ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa
Mila maniry hiova ny olona iray tratry ny rarin-tsaina na maniry hisoroka rarin-tsaina. Tsy mora, anefa ny miala amin’ny fahazarana. Ilaina ny faniriana zavatra tsara kasaina hatao, mila tenenina izany, ary arahina fihetsika mba ho lasa fahazarana tsara. Ialana ny fahakizitinana matetika sy ny fahatezeran-dava. Mila mifaly sy mirana lalandava, hampitony ny fihetseham-po, hisorohana azy. ialana ny fahazarana miteny hoe “mijaly aho, marary aho, mahantra, leo be aho, sy ny sisa”.

 

Fermer