PolitikaSongadim-baovao
ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Miantso fifanomezan-tanana ireo rafitra miady amin’ny kolikoly
Niray feo ny amin’ny tokony hanamafisana bebe kokoa ny fifanomezan-tanan’ny mpisehatra rehetra momba ny ady amin’ny kolikoly ireo rafitra misahana izany mivantana omaly teny Ankatso. Nilaza ohatra ny Tale Jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny famerenana ireo harena azo tsy ara-dalàna (ARAI), Aimé Rasoloharimanana, fa efa nametraka fanamby ny Fanjakana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Efa nahavita dingana ihany koa ny Fanjakana amin’ny fametrahana ireo rafitra rehetra miady amin’ny kolikoly, ary farany teo ny ARAI. Ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra no andrasana, hoy ity tomponandraikitra ity. Mbola nanamafy izany ihany koa ny Mpandrindra nasionalin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly na ny PAC, Rivonandrianina Rabarijohn. Nambaran’ity farany fa tsy voafetran’ny fotoana ny ady amin’ny kolikoly fa asa mitohy, ary tsy moramora, fa mila ny firaisankinan’ny rehetra.
Omaly, nisy ny famelabelaran-kevitra narahina adihevitra omaly teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, niresahana manokana momba ny « fifanarahan’ny Vondrona afrikanina mahakasika ny fisorohana sy ny ady amin’ny kolikoly (CUAPLCC), 20 aty aoriana, ny vita sy ireo asa miandry ». Hetsika izay tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny andro afrikanina ho an’ny ady amin’ny kolikoly 2023. Nandray anjara tamin’izany Ramatoa Ramanandraibe Bakolalao, Filohan’ny fiarahamonim-pirenena Ivorary, Rivonandrianina Rabarijohn, Mpandrindra nasionalin’ny Tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly na ny PAC, Aimé Rasoloharimanana, Tale Jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny famerenana ireo harena azo tsy ara-dalàna (ARAI), ary Lanto Ratsida, mpandinika fiarahamonina avy amin’ny « Observateur de la Jeunesse ».
Nifantoka betsaka tamin’ny fanentanana ny tanora mpianatra mahakasika ny zava-misy eto Madagasikara sy ny fandehan’ny ady amin’ny kolikoly ankehitriny ny hetsika.




