Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TAKSIBOROSY VAKY KODIARANA TRA-DOZA: Mpandeha miisa 5 namoy ny ainy, 7 hafa naratra mafy tao Befandriana Sud
Nisehoana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tao Befandriana Sud, omaly. Vaky ny kodiaran’ilay taksiborosy amin’ny ilany havanana aloha. Tsy voafehin’ilay mpamily intsony ny fiara taorian’izay ka niala ny lalana tany amin’ny ilany an-kavanana ary nianjera. Ny lalana rahateo nisy fiolahana. Vokany, olona miisa 05 no maty, ary 07 no maratra mafy izay nentina haingana notsaboina ao amin’ny CSB-II Befandriana/Sud ihany, araka ny tatitra.
Omaly tokony ho tamin’ny 03 ora sy 20 minitra, tao Antsaribao, fokontany sy kaominina Befandriana/Sud, distrikan’i Morombe, amin’ny RN9, PK 167+120 no niseho ny loza. Fiara vaventy mitondra ny anarana Bilomalaza, mpitatitra olona mampitohy ny zotra Toliara-Morombe, ao anatin’ny koperativa Kofima no niharan-doza. Araka ny tatitra avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia niainga avy any Morombe ilay fiara ka ho any Toliara izao tra-doza izao. Antony, araka ny fanazavana, dia ny fahavakisan’ny kodiaran’ilay fiara amin’ny ilany havanana aloha, izay nahenoana fipoahana mihitsy, araka ny tatitra. Tsy voafehin’ilay mpamily intsony, araka izany, ny fiara ka niala ny lalana ny fiara, tany amin’ny ilany an-kavanana ary nianjera. Ny lalana rahateo nisy fiolahana kely. Vokany, olona miisa 05 no maty ary 07 no maratra mafy izay nentina haingana tsaboina ao amin’ny CSB-II Befandriana/Sud. 24 Taona no zokiny indrindra tamin’ireo namoy ny ainy niaraka tamin’ny zanany lahy. Zaza 4 taona sy 1 taona sy tapany kosa ny roa, ary zazavavy iray 13 taona ny iray.
Araka ny tatitra dia potika tanteraka ny fiara. Tsy tratra teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza kosa ny mpamily, tamin’ny fotoana nanaovan’ny mpitandro filaminana ny fidinana ifotony. Tsy hita tao ihany koa ny antontan-taratasin’ny fiara. Ny entan’ireo mpandeha rehetra kosa dia notehirizina miaraka ao amin’ny tobim-paritry ny zandary mba hahamora ny fiambenana. Araka ny fanazavana dia efa misokatra ny famotorana momba ity loza ity, ary ny tobim-paritra Befandriana/Sud no misahana izany.




