Songadim-baovaoToekarena
FAMPIROBOROBOANA NY FIZAHANTANY: Niova ho seranam-piaramanidina iraisampirenena ny ao Ravoraha Sainte-Marie
Lanonana roa sosona no nisy tao amin’ny Seranam-piaramanidina Ravoraha Sainte-Marie omaly. Voalohany ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny taratasy manamarina ny maha seranam-piaramanidina iraisampirenena azy. Ny faharoa kosa dia ny fametrahana ireo jiro manamarika ny lalan-kizoran’ireo fiaramanidina rehefa hiantsona ao amin’ny seranan’i Ravoraha. Nitarika ny lanonana rehetra ny Filoha Andry Rajoelina.
Fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika, taorian’ireny valanaretina Covid-19 ireny ny hanarina sy hanavao ny seranam-piaramanidin’i Ravoraha ao Sainte-Marie. Tanjona tamin’izany ny hahafahan’ity nosy kely ity hahasarika mpizahatany bebe kokoa, ary hampiakatra ny toekaren’ny distrika sy ny Faritra izay misy azy. Tanteraka ny fanamby ankehitriny. Tontosa omaly mantsy ny lanonana fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny taratasy fanamarinana ny maha seranana manana ny lenta iraisampirenena an’ity ao Sainte-Marie ity. Fepetra napetraky ny ACM sy ny « Organisation de l’aviation civil international (oaci) ny famefena tanteraka ny seranana. Eo koa ny fisian’ny drafitra fisorohana ny loza, ny fanofanana an’ireo mpamonjy voina sy ireo mpiasan’ny seranana ambon’ny tany sy eny amin’ny sidina. Araka ny fanazavana, miisa enina amin’ireo seranam-piaramanidina valo eto Madagasikara izao no nahazo an’io fanamarinana io, ka fanineniny nahazo izany ny seranam-piaramanidina ao Sainte-Marie. Isan’izany ny seranana eny Ivato, Nosy Be, Mahajanga, Toamasina, Toliara, Antsiranana, Ste Marie. Taolagnaro. Toliara sy Antsiranana sisa no tsy manana an’io taratasy fanamarinana io. Efa eo am-pandinihana ny hahazoan’ny ao Antsiranana izany ny Adema, araka ny fanazavana. Nanambara ny Filoha Andry Rajoelina fa tombony amin’izao fahazoana ny fanamarinana izao ny fampirisihana ireo kaompaniam-pitaterana iraisam-pirenena ho avy ao an-toerana.
Jiro famantarana
Ny lanonana faharoa kosa ny fametrahana ireo jiro manamarika ny lalan-kizoran’ireo fiaramanidina rehefa hiantsona ao amin’ny seranan’i Ravoraha, ao Sainte-marie. Mipetraka amina halavirana toeram-piantsonan’ny fiaramanidina mirefy 1400 metatra ireo jiro famantarana ireo. Efa nisy ny andrana fandraisana ny fiaramanidina, ny alakamisy alina, ka nizotra soamantsara izany, araka ny fanazavana.
Nambaran’ny teknisianina fa efa afaka miantsona na miainga ao Sainte-Marie amin’izay manomboka izao ireo fiaramanidina antonontoniny. Mbola hisy kosa ny fanitarana azy hahazaka fiaramanidina goavana atsy ho atsy. Hitarina toy izany koa ny seranana. Na izany aza manana toeram-piantsonana miisa roa azo ampiasaina ny seranana ao Ravoraha. Mandeha foana ihany koa ireo jiro ireo na misy fahatapahana aza ny jiro any an-toerana. Manana milina afaka mamokatra herinaratra azo amin’ny herin’ny masoandro, mahazaka ny filan’ireo jiro ireo mantsy ny seranana. Azo antoka foana, araka izany, ny fiaingana sy ny fiantsonan’ny fiaramanidina ao an-toerana na atoandro na alina.
Nambaran’ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny kabary nataony fa ankoatra ny seranam-piaramanidina dia maro ireo fotodrafitrasa sy ny tetikasa hotokanana ao Sainte-Marie. Tsy hohadino intsony Sainte-Marie, hoy ny Filoha, ary hisitraka ireo tetikasam-pampandrosoana marolafy.




