PolitikaSongadim-baovao
RESABE MOMBA NY ZOM-PIRENENA : “Tia tanindrazana aho, ary vonona ho faty ho an’i Madagasikara”, hoy ny Filoha Rajoelina
Namaly ny fanontanian’ireo mpanao gazety mahakasika ireo lohahevitra heverina fa mafana sy ilàna fanazavana eto amin’ny tany sy ny firenena, tao anatin’ny fandaharana manokana nataony omaly, ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Tafiditra tao anatin’ireo voaresaka manokana ny momba ny resabe manodidina ny fananany Zom-pirenena frantsay. Tsy nanda ny fisitrahany izany ny Filoha Rajoelina, saingy notsindriany fa tsy manaisotra ny fitiavan-tanindrazana ao anatiny izany.
Adihevitra diso! Io no nanasokajian’ny Filoha Andry Rajoelina ny fandroritana ho resabe ny fisitrahany zom-pirenena frantsay, araka ny fandaharana nataony omaly. Nambarany fa Malagasy Ray sy Reny izy, ary rà malagasy no mikoriana ao anatiny. “Tsy misy olona afaka hanaisotra ny maha Malagasy ahy. Tsy misy olona afaka hanala ny fitiavan-tanindrazana izay ato am-poko”, hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Nahitsy ny Filoha omaly raha nilaza fa tsy fahotana izany maka zom-pirenena hafa izany. Fotoana izay nampahatsiahivany fa ny Filoha Amerikana tany aloha, Barack Obama dia teratany Keniana, kanefa nahavita be tamin’i Etazonia. Tahaka izany koa i Nelson Mandela, izay nanana zom-pirenena efatra mihitsy aza, kanefa olobe sy naherifo tao Afrika Atsimo, ary tia tanindrazana. Mbola nampahatsiahivin’ny Filoha ihany koa fa ireo mpitarika ny MDRM tamin’ny fotoan’androny, izay nahavita be ho an’ny firenena malagasy, dia nizaka zom-pirenena frantsay. Nilaza, araka izany, ny Filoha fa tia tanindrazana, ary vonona ho faty ho an’ny tanindrazana.
Ny Lalàna
Na izany aza, nitondra fanazavana ihany ny Filoha mahakasika ny antony nahazoan’izany zom-pirenena izany, manoloana ny resabe miparitaka ankehitriny. Nolazainy fa nilaina tamin’ny fikarakaraka taratasy tamin’izy hampiana-janaka tany Frantsa io zom-pirenena io. Nampahafantariny anefa fa efa tsy Filoha intsony ny tenany tamin’izany. Mahakasika ny andininy faha-42 ao amin’ny lalàna mifehy ny zom-pirenena, izay hanambaran’ny mpanohitra ankehitriny fa tsy Malagasy intsony ny Filoha Rajoelina, dia nambaran’ity farany fa rehefa mamaky lalàna dia tsy tokony ho andininy iray ihany no vakiana. Ary efa nanazava izany ireo mpahay lalàna maro samihafa. Nolazainy, araka izany, fa mila ny fankatoavan’ny Governemanta vao very ny zom-pirenena malagasin’ny olona iray. Hatreto, tsy mbola nisy didim-panjakana noraisina momba izany. Dikany, mbola Malagasy feno ny Filoha, araka ny fanazavana omaly.
Nomarihin’ny Filoha fa tsy misy olana mihitsy ny fifandraisana misy eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa ankehitriny. Fotoana izay nanambarany fa mitohy ny fitakiana ny Nosy malagasy. “Izaho no Filoham-pirenena malagasy voalohany nitaky mivantana an’ireo Nosy malagasy ireo teo anatrehan’ny Filoha Frantsay tamin’ny 2019”, hoy ny Filoha Rajoelina. Nilaza ity farany fa tokony hajanona ny tsy fitovian-kevitra politika rehefa tombontsoan’ny Malagasy no resahina.
Ny Fanoratana.



