PolitikaSongadim-baovao

RESAKA FIFIDIANANA SY FIROTSAHAN-KOFIDIANA: “Mbola ny asa fampandrosoana aloha no laharam-pahamehana”, hoy ny Filoha

Anisan’ny nahaliana sy nandrasan’ny maro tamin’ilay fandaharana manokana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo, ny namaliany ny fanontaniana mahakasika ny firotsahan-kofidiany indray na tsia amin’ny fifidianana. Nisafidy ny mbola tsy hamaly izany anefa ny Filoha, saingy nilaza kosa izy fa vonona hiatrika ny fifidianana rehetra misy eto amin’ny firenena ny vovonana tarihiny. Mbola ny asa fampandrosoana aloha izao no laharam-pahamehana, hoy hatrany ny Filoha.

Na dia efa maro aza ireo olona sy antoko politika niantso ny hirotsahan’ny Filoha Andry Rajoelina indray amin’ny fifidianana ho Filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity, dia mbola tsy nanisy setriny izany mihitsy ny tenany. Ny alahady teo, raha nanontanian’ny mpanao gazety momba izay fandraisany anjara amin’ny fifidianana izay andriamatoa Andry Rajoelina dia nisafidy ny tsy hamaly ihany koa. Mbola hisy, hoy izy, ny fotoana hamaliana izany baraingo izany ho an’ny vahoaka malagasy manontolo. Nohamafisiny anefa fa vonona hiatrika ny fifidianana hifanesy ny antokony sy ny vovonana manohana azy, manomboka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena hatrany amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ben’ny tanàna. « Tsy matahotra fifidianana isika”, hoy ny Filoha.

Notsipihiny anefa fa mbola ny asa fampandrosoana aloha no mahamaika izao. Maro ny asa tokony hotohizana sy tokony hovitaina ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy na dia efa manakaiky ny fotoam-pifidianana aza isika.  Mikasika ny fitiavan’ny vahoaka malagasy azy dia nambarany fa ny zava-misy eny an-kianja no manaporofo izany. Aza tsaraina amin’ny Facebook, hoy izy, ny tena hevitry ny vahoaka. Ary tsy ny mpanohitra irery no mifidy fa ny vahoaka malagasy manan-jo rehetra izay maro mahita sy misitraka ny asa fampandrosoana atao.

Famatsiam-bolan’ny fifidianana

Voaresaka nandritra ny fandaharana manokana nataon’ny Filoha ihany koa ny mahakasika ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny ankapobeny, indrindra taorian’ireny famoahan’ny Governemanta ireo Didim-panjakana miisa dimy mifandraika amin’ny fikarakarana ny fifidianana ireny. Nambaran’ny Filoha, araka izany, fa tsy naman’izay mihemotra isika fa tsy maintsy tanterahina araka ny voalazan’ny lalàna eto amin’ny firenena ny fifidianana. Vonona, hoy izy, ny famatsiam-bola ny fifidianana. Misy ny efa misoratra anatin’ny tetibolam-panjakana. Misy koa ny avy amin’ny mpiara-miombona antoka, amin’ny alalan’ny « Basket fund ». « Na vola 1 400 miliara anohanana ny Jirama aza ananantsika, mainka fa ny 80 miliara ilain’ny CENI hikarakarana ny fifidianana« , hoy ny Filoha, raha nanala ny ahiahin’ny Malagasy amin’ny mety ho tsy fisian’ny lelavola hanatanterahana ny fifidianana.

Mikasika ny anto-bola 200 tapitrisa ariary aloan’izay hirotsaka hofidina ho Filoham-pirenena kosa, nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa fandraisana anjara ihany io ary miverina raha mahazo 10%ny vato manan-kery. Ny olona manana fototra sy mieritreritra ny hahazo ny safidin’ny Malagasy mihoatra ny 10% no mendrika hirotsaka, araka ny nambarany. Notsipihiny fa fandraisana anjara amin’ny fanontana ny bileta tokana io anto-bola io, izay natao mba hitovizan’ny herijikan’ny kandida, tsy toy ny taloha « samy manonta ny bileta ho azy ».

Nanisy resaka fohy mahakasika ny resaka famerana ny vola azo ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra koa ny Filoha Rajoelina. Nolazainy fa tsy misy firenena aty afrika, na iray aza, mampihatra izany famerana izany. Ny lalàna malagasy mametraka ny tokony hametrahan’ny Filoha am-perinasa fialana roa volana mialohan’ny fifidianana, raha toa ka mirotsa-kofidiana izy, dia efa tombony ho an’i Madagasikara mba hampitovy ny herijika ananan’ny kandida rehetra amin’ny fifidianana.

Fermer