Fanadihadiana ManokanaSosialy
FIRONGATRY NY GRIPA – ANDRO RIRININA: Mitombo avo efatra heny ireo zaza manatona tobim-pahasalamana
Manamora ny fihombon’ireo aretina azo avy amin’ny fifindran’ny “virus” sy ny mikraoba ny vaninandro ririnina. Isan’ireo aretina mahazo vahana amin’ny andro mangatsika tahaka izao ny gripa, indrindra any amin’ireo zazakely izay marefo ara-pahasalamana. Raha tsy voatsabo ara-dalàna, noho izany, dia mety hihitatra hatrany amin’ny “bronchiolite” io gripa io.
Ao anatin’ny vanim-potoan’ny ati-ririnina tanteraka isika amin’izao tapatapaky ny volana jolay izao, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro eto Madagasikara. Mbola misy hatramin’ny roa volana eo no hiantrehantsika izay vanin’andro mangatsiaka izay ary “tsy mbola mampanantena mafana fa mangatsiaka hatrany aloha ato ho ato”, hoy ny nambaran’ny teknisianina iray avy eo anivon’ny météo madagasikara. Hisy fidinany, araka izany, ny mari-pana mandritra ny telo andro voalohany amin’ity herinandro vaovao ity. Ho maloka ny andro amin’ny ankapobeny ho an’ny eto ampovoan-tany, ary mety arahina herika manify izany amin’ny maraina sy ny hariva. Manodidina ny 4°C hatramin’ny 12°C ny maripana farany ambany. Ary tsy hisy afa-tsy 22°C hatramin’ny 24°C kosa ny maripana farany ambony ho an’ny eto ampovoan-tany hatrany. Sofia, Boeny, ary Betsiboka no mbola hianoka ao anatin’ny hafanana izay ahitana mari-pana farany ambony hatramin’ny 34°C. Vinavinaina hialoka ambany zavona ny eto Antananarivo sy ny manodinana amin’ny marainan’ny alakamisy sy ny zoma ho avy izao. Midika izany fa hiakatra kely ny maripana amin’ny atoandro ary hiverina hangatsika ihany anefa rehefa miha hariva ny andro.
Ireo endrika sy toetry ny andro eto amintsika ireo no manaporofo fa mandalo ny fotoan’ny ririnina tokoa isika eto Madagasikara. Betsaka ny olona tsy mahazaka izay toe-tany somary mangatsiaka izay ka mitarika tsy fahasalamana ho azy izany. Indrindra ireo olona marefo toy ny zazakely, ireo efa nahazoazo taona, ary ireo izay manana olana amin’ny taovam-pisefoana. Vahaolana, noho izany, ny fanaovana mafana hatrany sy nfampitomboana ny hery fiarovana amin’ny alalan’ireo sakafo sy fanafodin’ny dokotera natokana ho amin’izany.
Gripa: aretin’ny andro mangatsiaka
Tsy afa-bela hatrany ireo zazakely rehefa miatrika ny vanim-potoana ririnina tahaka izao isika. Ny gripa no aretina betsaka mpahazo ireo ankizy amin’ny fotoana toy izao, raha ny fanazavan’ny Dr. Mamy Razafimandimby. Izany hoe voan’ny sery ilay zaza, tsentsina ny orony, ary miakatra kely ihany koa ny hafanan’ny vatany. Vokatr’izany indrindra, nanambara io mpitsabo zazakely iray io fa nitombo isa hatrany ireo ray aman-dreny mitondra ny zanany eny amin’ny tobim-pahasalamana nanomboka tamin’ny nidirantsika tao anatin’ny andro mangatsiaka. Ho an’ny toeram-pitsaboan’i Dr. Mamy manokana, ohatra, niakatra hatramin’ny avo hefatra heny ireo zaza voan’ny gripa sy ny aretina manodidina izany, raisiny an-tanana hatramin’ny nanombohan’ny ririnina ny faramparan’ny volana jona lasa teo.
Rehefa izany, soson-kevitra avy amin’ny mpitsabo ny hoe mila diovina ny oron’ny zaza rehefa tojo io endrika tsy fahasalamana iray io izy. Diovina amin’ny alalan’ny “serum physiologique”, na ihany koa mievoka amin’ny ranon-tsira na amin’ny lohamenaka (huile essentiel). Ahena atao manifinify ny akanjon’ilay zaza raha toa ka mafana izy, asina menaka ny tratrany, ary omena fanafody fampidinana hafanana ihany koa izy.
Tsy tokony anao dokotera tena na hanamaivana ny aretina gripa mpahazo ny ankizy anefa ireo ray aman-dreny. Rehefa mitarazoka ny fahasitranana, tsy mihafana ilay aretina, dia ilaina hatrany ny manatona tobim-pahasalamana. Mety hihitatra hatrany amin’ny kohaka mantsy ny gripa raha tsy voatsabo ara-dalàna. Hahatonga ilay zaza ho sempotra ary mitarika tsy fahitana tory ho azy izany. Ireo fambarana farany ireo no mitambatra ka mety hiteraka ny aretina antsoina hoe “bronchiolite” mpahazo ny zazakely.
Misafidy ny hirona any amin’ny fomba fitsaboana amin’ny alalan’ny fitaovana “aérosol” ireo ray aman-dreny rehefa tonga eo amin’io dingan’ny fahasemporana sy mararirary tratra io ny zanany. Karazana evoka atao amin’ny fitaovana moderina, miaraka amin’ny fanafody efa natokana ho amin’izany ny “aérosol”. Ampifanarahana amin’ny toe-batan’ilay zaza ny fatran’ny fanafody sy ny isan’ny fiverenana tokony atao amin’ny fitsaboana. Noho izany indrindra no antony maha saro-pady ity fomba fitsaboana ity. Misy amin’ireo ray aman-dreny anefa no tsy mijery izany fa mihaino izay lazain’ireo namana ka roboka amin’ny fanaovana “aérosol” any an-tokantrano, na dia tsy nandalo fizahana mialoha tany amin’ny tobim-pahasalamana akory aza. Araka izany, manentana hatrany ny maha zava-dehibe ny fanatonana dokotera ireo mpitsabo, indrindra fa fahasalamana no resahina. “Mila manatona dokotera aloha manao ny fizahana. Avy eo manohy ny fitsaboana any an-trano raha ilaina izany. Eo ny mpitsabo no manome ny fanafody sy ny fatra tokony sahaza ilay zaza izay samy manana ny azy manokana ny ankizy tsirairay”, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo. Fehiny, na malaza aza amin’izao fotoana ny fananana io fitaovana io ho an’ireo tokantrano manana zazakely dia tsara hatrany ny mandeha mizaha fahasalamana alohan’ny tena ampiasana azy.
Mahatonga fidirana hopitaly: ireo fepetra azo isorohana mialoha ny “bronchiolite”
Mahatonga ny aretina “bronchiolite”, araka izany, ny gripa tsy voatsabo ara-dalàna. Aretina azo avy amin’ny virus izy io ka mitarika ny fahatsentsenan’ny lalan-drivotra ary mety hihitatra hatrany amin’ny fahasemporana aza. Amin’ny alalan’ny piti-drora kosa no fifindrany. Amin’ny maha betsaka ireo olona voan’ny gripa amin’ny andro ririnina dia maro manaraka izany ihany koa ireo olona mararin’ny “bronchiolite” amin’ny vanim-potoana mangatsiaka tahaka izao. Mety ho voan’io aretina io avokoa ny olon-drehetra saingy mafimafy kokoa ny fiantraikany any amin’ireo zaza latsaky roa taona. Izany hoe miaina fahasarotana ilay zaza noho ny taovany mbola marefo.
Araka ny fanazavan’ny mpitsabo, ireto tanisaina manaraka ireto ny fisehon’ny “bronchiolite” any amin’ireo ankizy:
-Seriserena sy be lelo no hiantomboany,
-Mikohaka maina na misy rehoka,
-Maneno ny tratra rehefa miaina,
-Lasa miaina mafy,
-Mety hanavy, malain-komana, na ratsy torimaso ihany koa izy.
Ho fisorohana azy mialoha kosa anefa, torohevitra avy amin’ireo mpitsabo hatrany ny hoe:
-Ilaina ny fanasanana tanana matetika amin’ny rano sy ny savony. Indrindra alohan’ny handraisana zaza sy ny hampinonoana azy.
-Tsy mievona eo akaikin’ny zaza ary mievona ao anaty kihon-tanana mba tsy hiparitahan’ny piti-drora. Tsara ihany koa ny manao aro vava raha toa ka voan’ny sery. Fadina mandra-pahasitrana ny manorokoroka zazakely.
-Hasitaka lavitra amin’ireo setroka maloto ny zaza. Isan’izany ny setroka sigara, harina fandrehitra, setroka fiara, sy ny maro hafa. Raha ny fanazavan’ny mpitsabo tafaresaka taminay, ny ankamaroan’ireo zaza voan’ny “bronchiolite” miditra hopitaly dia saika mpifoka sigara avokoa ny rainy sy ireo olona akaiky manodidina azy. Tokony raisina ho laharam-pahamehana, noho izany, ireo fepetra ireo.
-Tsy tokony hampivondronana sy hatangorongoranana ny zaza rehefa amin’ny fotoan’ny valan’aretina fa mahatonga azy ireo hifamindra ny aretina izany. Mitovy amin’izany ihany koa ny hoe diovina matetika ireo fitaovana avy any an-tsekoly toy ny “gourde” sy ny “trousse”.
-Ankoatra ny fanadiovana ny oron’ny zaza mikoaka sy voan’ny sery ary misimisy rehoka, atao midaboka amin’ny lamosina ary atao avo ny ondany rehefa matory izy. Omena rano betsaka sy sakafo be Vitamina C ihany koa. Ary atao hazon’ny rivotra tsara ny efitrano misy azy.
Fomba fisorohana fotsiny ihany ireo fa tsara kokoa ny manatona tobim-pahasalamana avy hatrany raha toa ka misy tranga mampiahiahy any amin’ireo zaza, toy ny kohaka tsy mety miafana ao anatin’ny efatra herinandro na ny tranga fahasemporana. Mbola manamafy izany ihany koa ny renim-pianakaviana iray tafaresaka taminay. Nambarany fa efa in-droa niditra hopitaly mahakasika io aretina “bronchiolite” io ny zanany lahikely. Raha ny fitantarany mantsy, tsy nahafantatra momba io aretina io izy tany am-piandohana. Heveriny ho toy ny gripa mahazatra fotsiny ihany ny mahazo ny zanany. Taorian’ny fizahan’ny mpitsabo anefa, fantatra fa “bronchiolite” no mahazo ilay zaza ary tsy maintsy nahiditra hopitaly satria nilaina fampidirana “oxygène” maika. “Tao amin’ny hopitaly Soavinandriana no nisy anay tamin’izany. Volana mey tamin’io fotoana io, efa nanomboka nidina tsikelikely ny mari-pana nefa tsy azo lazaina hoe efa tena mangatsiaka ny andro. Kanefa tamin’io fotoana io dia feno zazakely voan’ny “bronchiolite” ny hopitaly. Tsy tao ihany fa saika tany amin’ireo hopitaly afaka nandray zazakely teto an-drenivohitra”, hoy ny fitantaran’i Domoina. Nanomboka teo, nampihatra ireo fitandremana rehetra mahakasika ity karazan’aretina ity ny ankohonany. Mbola nanentana ihany koa izy fa zava-dehibe ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny zaza sy ny tsy fanaovana tsinontsinona ny aretina gripa. “Mety hoe maivana kely amintsika izany gripa izany fa io no mahatonga ny “bronchiolite” ka mila tsaboina mialoha ny gripa mba tsy hihombo ny aretina”, hoy hatrany izy.
Nangonin’i Sarobidy Sidonie.


