PolitikaSongadim-baovao
FIATREHANA NY FIFIDIANANA : Voarafitra ny rejisitra nasionaly, 11 043 836 ireo mpifidy voasoratra anarana
Tafatsangana omaly ny rejisi-pifidianana nasionaly izay ho ampiasaina mandritra ny ireo fifidianana hifanesy eto amin’ny firenena, araka ny fampahafantarana nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly. Tafakatra 11 043 836 ireo mpifidy voasoratra anarana ao anatin’izany, ary eto amin’ny faritanin’Antananarivo ny 3 393 121 amin’ireo.
Raha toa ka olom-pirenena miisa 13.593.006 no nokasaina ho ampidirina ao anatin’ny lisitry ny mpifidy tany am-piandohana, dia miisa 11 043 836 no tratra hatramin’ny omaly, nandrafetana farany ny Rejisi-pifidianana. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Arsène Andrianarisedo, miisa 1.924.648 ireo olom-pirenena nisoratra anarana tao anatin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE) tokony mbola ho hita hisoratra anarana tao anatin’ny fanavaozana tanteraka, kanefa tsy nisoratra. “Raha toa ka tafiditra ao anaty lisitra izy ireo dia tokony ho 12.963.484 ireo olompirenena voarafitra ao anaty rejisi-pifidianana nasionaly”, hoy ny fanazavana.
Na izany aza, nazavain’ny Filohan’ny Ceni ireo antony mety tsy nahatafiditra ny olompirenena ao anaty fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Voalohany amin’izany, ny fiheverena fa efa voasoratra tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy nisy tany aloha ka tsy mila misoratra intsony. Eo koa ny fifindran-toerana sy fifindra-monina matetika. Tsy vitsy koa ireo olom-pirenena tsy nahafantatra ny fisian’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Ary koa ny fisalasalana na ny tsy faharisihana ny hisoratra ao anaty lisitry ny mpifidy.
Raha mitaha tamin’ny antontanisa voaray tamin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy (RALE) farany teo kosa, izay niisa 10 749 934, dia nisy fitomboana 293 902 ireo olom-pirenena voasoratra ao anatin’ny Rejisi-pifidianana.
Lisitra madio, azo antoka!
Marihina fa efa nandalo fitsirihana indroa miantoana nataon’ny teknisianin’ireo antoko politika eto Madagasikara, sy ny avy amin’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny tany miteny na mampiasa ny teny frantsay (OIF) ny rindrambaiko nandrafetan’ny Ceni ny lisitra. Nilaza ny Filohan’ny Ceni omaly fa isan’ny tanjon’izy ireo ny fananana lisitry ny mpifidy tena madio sy azo antoka, izany hoe tsy ahitana anarana miverimberina ary koa voarakitra ao anaty rindrambaiko daholo ireo izay nanefa ny adidiny ka nisoratra anarana tany amin’ny Fokontany misy azy.
Ireo antontanisa isaky ny faritany eto Madagasikara, ahitana ny tarehimarika tamin’ny fanavaozana isan-taona farany (RALE), sy ny tarehimarika tamin’ny fanavaozana tanteraka natao (REFONTE), miaraka amin’ny fitomboana nisy (Augmentation):





