Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina

OLONA TELO VOASAMBOTRA TAO MORONDAVA…: Isan’ireo nanaparitaka laza adina bakalorea mialoha tao amin’ny « Facebook »

Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo fa fepetra hentitra no horaisina amin’ireo izay tompon’antoka amin’ny famoahana mialoha laza adina bakalorea 2023. Araka ny tatitra, olona telo no voasambotra tao Morondava, voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Ny iray tamin’izy ireo dia tompon’ny kaonty « Tokako Tiko Olivie », izay nalaza ho nanaparitaka ireo laza adina miaraka amin’ny valiny tao amin’ny Facebook.  

Olona telo no voasambotra tao Morondava ny herinandro teo, izay voasaringotra tamin’ny raharaha fanapariahana laza adina mialoha, tao anatin’ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2023. Araka ny tatitra dia ny tompon’ny kaonty Facebook « Tokako Tiko Olivie » ny iray tamin’izy ireo, izay isan’ireo nalaza indrindra tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook nanaparitaka ny laza adina sy ny valiny. Nisy olona roa hafa koa voasambotra niaraka taminy, araka ny tatitra hatrany. Raha ny fanazavana, dia laza adina efa miaraka amin’ny valiny no naparitaka tao anatina vondrona fijerena sarimihetsika mamoafady anaty tambazotra. Nanome toromarika ny mpikaroka fandikan-dalàna rehetra ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Morondava ny itadiavana ny iray tomponantoka tamin’ity tranga ity. Tsy fantatra ny tena niandohany, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Fitsarana. Mitohy kosa ny famotorana.

Marihina fa miara-miasa ny Fitsarana sy ny mpitandro filaminana misahana ny heloka anhabaka (Cybercriminalité), ary ny mpikaroka fandikan-dalàna amin’ny fandraisana andraikitra tandrify azy avy manoloana ity raharaha ity.

Olona ampolony no efa voasambotra, mitohy ny fanadihadiana

Raha tsiahivina, manoloana ny fivoahan’ny laza adina bakalorea mialoha izay niteraka fanakorontanana tamin’ny fizotry ny fanadinana tamin’ny ankapobeny, dia nanome toromarika hentitra ny Filohan’ny Repoblika, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra, mba hanaovana ny fomba rehetra hanatrarana ireo rehetra tompon’antoka tamin’ny fivoahan’ny laza adina mialoha ary tsy hisy ny fandeferana satria ny hoavin’ny zaza Malagasy mihitsy no tadiavina hopotehina, araka ny fanehoan-keviny.Efa nihetsika avy hatrany moa ny mpitandro filaminana nanomboka tamin’ny ora nivoahan’ny laza adina teny amin’ny tambajotra ara-tsosialy, ny atoandron’ny Alarobia ka olona ampolony hatramin’ny faran’ny herinandro teo no efa tratra ary mbola mitohy ny fanadihadiana sy ny fikarohana. Tsy maintsy faizina mafy izay rehetra tompon’antoka satria tsapa fa misy fikasana fanakorontanana iniana mihitsy atao eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, araka ny tatitra.

Nohamafisin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, fa mety ho antony ara-bola na koa fanakorontanana fotsiny tsotra izao no ambadik’ireny zava-nitranga omaly ireny. Efa mandeha ny famotorana. Ny Minisitry ny Fitsarana kosa, tetsy ankilany, dia nanamafy fa maro be ireo fandikan-dalàna niseho tao anatin’ity raharaha ity, isan’izany ny fanaovana hosoka amin’ny  fanadinam-panjakana, ny fisolokiana, fanohintohinana filaminam-bahoaka, ny fampiasana tambajotra sosialy nanaparitahana laza adina. Notsindriany fa tsy hilefitra mihitsy ny Fitsarana amin’izay tomponandraikitra, na mivantana, na ankolaka.

Fermer