PolitikaSongadim-baovao

FAMPIVOARANA NY MAHA OLONA: Mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ao Tanzanie ny Filoha Rajoelina

Rahampitso 26 Jolay no handray anjara fitenenana ny Filoha Andry Rajoelina, mandritra ilay fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena momba ny “Développement du capital humain”, izay atao manomboka anio ka hitohy rahampitso any Dar-es-Salam, Tanzanie. Mandritra io fotoana io no hitondrany ny politika napetraka sy ireo asa nataon’ny Fitondram-panjakana malagasy manoloana ireo fanamby amin’ny fampandrosoana ny maha olona.

Handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena momba ny « Capital Humain en Afrique » ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina izay tanterahina anio 25 sy rahampitso 26 jolay 2023 any Tanzanie. Ny 26 jolay 2023 dia handray fitenena mandritra ny adihevitra mitondra ny lohahevitra « Fampandrosoana ny traikefan’ny tanora mba hiantohana ny fahafahan’izy ireo miasa » (Développement des compétences de la jeunesse pour assurer leur employabilité) ny Filoha Andry Rajoelina. Mandritra io fotoana io no hitondrany ny politika napetraka sy ireo asa nataon’ny Fitondram-panjakana malagasy manoloana ireo fanamby amin’ny fampandrosoana ny maha olona sy anatin’ny fanatanterahana ny velirano faha 8  » Ny vehivavy sy ny tanora antoky ny hoavy »

Raha tsiahivina, ny tatitra momba ny fampivoarana ny maha olana teto Madagasikara dia isan’ireo ratsy indrindra naneran-tany, ny taona 2020. Ankoatra izay, ny 78%-n’ny mponina eto Madagasikara dia tanora latsaky ny 35 taona avokoa. Midika izany fa zava-dehibe ny famaliana any hetahetan’ireo tanora ireo, mba ho lasa harena ho an’ny firenena fa tsy ho vesatra. Na izany aza anefa, dia nandroso ny firenena tamin’izay fampivoarana ny maha olona izay, indrindra tamin’ny fampiasam-bola tamin’ny fananganana ireo fotodrafitrasam-pampianarana maro. Eo koa ny fanaovana ezaka amin’ny fampisakafoana antsekoly izay tena manampy betsaka amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fidiran’ny zanaka malagasy an-tsekoly. Tsy vitsy ihany koa ireo ezaka natao ho fanomezan-danja ny sehatry ny fahasalamana.

Ny Fanoratana.

Fermer