Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
LALAON’NY NOSY HORAISIN’I MADAGASIKARA: Tsy misy manana ahiahy intsony ireo firenena mpandray anjara
Raha toa ka mbola misy ireo olona mametraka ahiahy amin’ny fandraisan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 amin’ity taona ity, dia nanome toky omaly ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Haja Resampa, fa “tsy misy intsony ireo nosy mametraka ahiahy amin’ity lalao ity”. Efa tonga avokoa, hoy izy, ny taratasy manaiky ny fandraisana anjara avy any amin’izy ireo. Ankehitriny dia ao anatin’ny fanarenana ireo fotodrafitrasa handraisana ity lalao ity, ary ho vita mialoha ny fanombohan’ny lalao. Efa vonona koa ny fandraisana ireo delegasiona avy any amin’ireo nosy manodidiny. Ary anisany efa nahatonga ny lisitry ny mpandray anjara ny avy ao amin’ny nosy Mayotte sy La Réunion.
Sinoa hampianatra soradihy
Nampahafantarina omaly ihany koa fa efa eto Madagasikara ireo sinoa hampianatra ny soradihy mandritra ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septabra hoavy izao. Tsy midika izany fa manilika ny malagasy manatalenta, hoy ny filohan’ny komity mpikarakara ity lalao ity sady minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Haja Resampa omaly 26 jolay tao Mahamasina. Anatin’izany ny fitadiavana fikarakarana tonga lafatra. Ny Malagasy no mpikarakara izany sy mandray anjara fa mpanome hevitra ihany ny vahiny, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy tokony hisy ny ahiahy, hoy ny minisitra.
Eo amin’ny fanomanana ireo atleta kosa, ao anatin’ny fanazaran-tena ireo atleta rehetra voafantina handray anjara amin’izany. « Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana. Misy ny fihaonana matetika amin’ireo filohana federasiona voakasika sy ny COJI ary ny komity olaimpika », hoy hatrany ny Minisitra.




