PolitikaSongadim-baovao

TATITRY NY FITSIRIHANA – OIF SY KOMITY AD’HOC: « Azo ampiasaina amin’ny fifidianana ny lisitry ny mpifidy voarafitry ny Ceni »

Tsy fahatomombanana maromaro no hitan’ireo nanao fitsirihana ny fandrafetana ny lisitry ny mpifidy, tao anatin’ireo asa indroa miantoana nataon’izy ireo, dia ny nialohan’ny famaranana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy ny volana jona teo, ary tamin’ny famaranana tanteraka ny lisitra, ny herinandro lasa teo. Ho an’ireo manam-pahaizana iraisampirenena avy amin’ny Vondron’ny tany miteny na mampiasa amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF), dia miisa roa ny trangana tsy fahatomombanana hitan’izy ireo, dia ny tsy fifandrifian’ny daty nahaterahan’ireo mpifidy sy ny daty nahazoana ny karapanondrom-pirenena. Eo koa ny fisian’ireo fisoratana anarana miverimberina miisa 11 371, izay misy fitovizana ny eo amin’ny anarana sy fanampiny, ny daty nahaterahana, ny laharana karapanondro, sy ny sisa. Nisy tolo-kevitra maromaro mifandraika amin’ireo vokatra azo ireo, araka izany, navoitran’ireto manampahaizana vahiny ireto, ho an’ny Governemanta sy ny Parlemantera ary ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Eo anatrehan’izany, nilaza ny teo anivon’ny OIF fa azo atokisana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana hoavy ity lisitra natsangan’ny Ceni ity, na dia mbola misy aza ireo fanitsiana sy ny fanatsarana mbola tokony tanterahina ireo. Ireo teknisianina malagasy nanao fitsirihana tao anatin’ny “Comité Ad’hoc” ihany koa dia nahatsikaritra ireo tsy fahatomombonana ireo, izay saika nitovitovy tamin’ny hitan’ny OIF ihany amin’ny ankapobeny.

Eo anatrehan’izany, nilaza ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, fa tsy manohintohina velively ny lisitra efa voarafitra ireo tsy fahatomombanana nambaran’ireo mpitsirika, ary azo atao tsara ny manitsy izany. Raha ny fisiana fiverimberenana voalazan’ny tatitra dia mbola hisy ny fandinihana manokana izany, hoy hatrany izy. Ny fikitihana ny rejisitry ny mpifidy ho atao kosa, dia tsy fisoratanana anarana vaovao intsony, fa fanitsiana ireo voalaza fa tsy fahatomombanana sisa.

Fermer