Songadim-baovaoSosialy
FITATERANA ETO AN-DRENIVOHITRA: Tsy hisy fampiakarana saran-dalana, hovahana ny olan’ireo mpitatitra
Rava aloha hatreto ny fikasan’ny fiombonan’ny koperativa mpitatitra eto an-drenivohitra (UCTU) mahakasika ny vinavina fampiakarana saran-dalana ho lasa 800 ariary manomboka ny 01 aogositra ho avy izao. Izany fanapahan-kevitra izany no noraisina taorian’ny fihaonan’ireo tompon’andraikitry ny fitaterana isan-tsokajiny, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely. Fihaonana izay nahitana ny avy eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny solotena avy amin’ny Ministeran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetrandro, ary indrindra ireo mpikambana eo anivon’ny UCTU.
Mbola tsy fotoan’ny fampiakarana saran-dalana amin’izao fotoana, hoy ny nambaran’ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Nohamafisin’ireo tompon’andraikitra ihany koa fa ny mahasoa ny vahoaka no himasoana ho an’ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny. Tafiditra ao anatin’izay fitsinjovana ny mahasoa ny mponina izay ny fanalana ny fahasahiranan’izy ireo ka tsy hanamora ny fanatanterahina izany io vina fampiakarana saran’ny tolotra io.
Raha hiverenana fohy, ny fiakaram-bidin’ny saran’ny fikojakojana ireo fiara no nahatonga ny UCTU nandroso ny hevitra amin’io fampiakarana saran-dalana io. Fantatra mantsy fa hisondrotra avo telo heny ny saran’ny fitsirihana teknika fatao isaky ny efa-bolana. 34 800 ariary izany amin’izao fotoanan ho an’ireo fiara manana toerana 25 hatramin’ny 50 isa, ary hiakatra 95 000 ariary manomboka amin’io herinandro ho avy io. Mbola mampitaraina ireo mpitatitra ihany koa ny momba ny fiakaran’ny vola lany amin’ny fanavaozana ny karatra miloko volom-parasy ilaina amin’ny fitsarana fiara.
Manoloana izany indrindra, vonona ny hifanolo-tanana hitady vahaolana amin’ireo marary ny mpitatitra ireo ny kaominina, mba ahafahana mitazona ny saran-dalana misy ankehitriny. Nanambara, araka izany, ny Ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina fa hifampidinika amin’ny tompon’andraikitry ny fitsirihana teknika ny fiarakodia ny tenany, hijerena ny hanenana io vola aloan’ny mpitatitra ho an’ny fitsirihana ara-teknika io. An-kilany, miandrandra valiny mahafa-po vokatr’izany fihaonana izany ny avy amin’ny UCTU. Ny valin’io fihaonana amin’ny roa tonta io no ahafahan’izy ireo mandray fanapahan-kevitra farany mahakasika ity saran-dalana ity izay nambaran’ny tompon’andraikitra fa “tsy afaka mitsabaka amin’ny fampiakarana na fampidinana ny saran-dalana ny Ministera”. Miankina amin’ny fahendren’izy ireo, vokatr’izany, ny hitsinjovana ny vahoaka eo amin’izay lafiny fitaterana izay.
Sarobidy Sidonie.



