
PolitikaSongadim-baovao
FITOKONANA SENDIKALY, RAHARAHA BAKALOREA, SARAN-DALANA,… : “Tranga iniana atao hanakorontanana mialohan’ny fifidianana”, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy
Nazava ny famakafakana nentin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly tao amin’ny fahitalavi-pirenena, raha niresaka mahakasika ny fiainam-pirenena ankehitriny ny tenany. Nambarany fa zavatra efa voalamina sy voarindra daholo ireo karazana olana miseho ankehitriny ireo, iniana atao mba hampisy korontana amin’izao vanim-potoana mialohan’ny fifidianana izao.
Fifandrifian-javatra ve raha toa ka amin’izao vanim-potoana mialohan’ny fifidianana izao daholo no miseho ireo karazana olana sy fitakiana isan-karazany? toy ny Fitakian’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, ny famoahana mialoha ny laza adina bakalorea, ny resabe momba ny zom-pirenena, ny fanambanana fampiakarana saran-dalana, sy ny sisa ? Nitondra famakafakana mifandraika amin’izay ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly. Nambarany fa tsy kisendrasendra mihitsy ireo tranga rehetra ireo. Ary zavatra iniana atao mialohan’ny fifidianana mba hanakorontanana. Mahagaga, hoy izy, fa fony mbola tsy nivoaka ny datim-pifidianana dia tsy nisy taitra ireo sendikalista. Ankehitriny anefa dia mivoaka daholo ireo lazaina fa olana rehetra.
Isan’ny nambarany manokana tao anatin’ny fandaharany ny fitakian’ny Sendikan’ny Mpampianatra mpikaroka sy ny Mpikaroka mpampianatra (SECES), izay natao indrindra nifanandrify tamin’ny fandehanan’ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Nandritra izany koa anefa no nisian’ny famoahana mialoha ny laza adina izay nanakorontana tanteraka ny fiatrehan’ny mpiadina ny bakalorea. Ny Fitondram-panjakana, indrindra ny Filohan’ny Repoblika, hatrany anefa no avy hatrany dia tondroina ho tomponandraikitra amin’ilay tranga, na dia samy mahalala aza ny rehetra fa misy ambaratongam-pahefana maro aza miandraikitra an’izany laza adina izany. Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa mbola ny Filohan’ny Repoblika aza no nipetraka amin’ny maha Raiamandreny azy nandray fanapahan-kevitra namerina ny adina izay nisian’ny korontana. Ary koa, nanome toromarika ny handraisana fepetra hentitra tamin’ireo izay tompon’antoka tamin’ireny raharaha ireny. Amin’izao fotoana anefa, misy ireo mpampianatra izay voasaringotra ka hanaovana fanadihadiana momba iny raharaha iny, dia mitsangana indray ireo avy amin’ny mpampianatra mpikaroka miaro ny namany sy misakana ny tsy hanagadrana azy.
Zom-pirenena, saran-dalana,…
Anisan’ny tranga efa niniana novoizina saingy nandamoaka ny resaka zom-pirenena. Nazavain’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa fanakorontanana mihitsy no tao ambadik’ireny, ary tonga hatramin’ny fiantsoana ny tafika sy ny foloalindahy tsy handray baiko intsony amin’ny Filoha Rajoelina, izay Filoha faratampon’ny foloalindahy.
Taorian’izay indray dia namoaka vondron’ny mpitatitra eto an-drenivohitra (UCTU) fa hampiakatra saran-dalana ho 800 ariary manomboka amin’ny fiandohan’ny volana aogositra izao. Mazava ho azy fa savorovoro hatrany aterak’izany eo anatrehan’ny fahasahiranana efa sendrain’ny mponina ankehitriny noho ny fiakaram-bidim-piainana. Ny mahagaga anefa, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, dia nojapian’ny Solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara indray ilay resaka fampiakarana saran-dalana avy eo. Io solombavambahoaka mpanohitra io izay nilaza fa tokony mbola hiakatra mihoatra io 800 ariary io aza ny saran-dalana noho ny fiakaran’ny vidin’entana manerantany.
Tao anatin’ny fandaharana nataony omaly no nanipihan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa tsy ny Filoha Andry Rajoelina daholo no tompon’andraikitra amin’ny olana rehetra mitranga eto amin’ny firenena. Ny fitantanan-draharaham-panjakana, hoy izy, dia manomboka any amin’ny lehibena sampandraharaha anivona Minisitera, Tale, Tale Jeneraly, Sekretera jeneralina Minisitera, Minisitra, Praiminisitra, ary izay vao miresaka Filoham-pirenena. Raha toa, noho izany, misy olana miseho eto amin’ny firenena, dia any amin’ireo tomponandraikitra mivantana amin’ilay olana aloha no tokony hiantefan’ny fanontaniana voalohany, fa tsy avy hatrany dia hanenjika be fahatany ny Filoham-pirenena.
Ny Fanoratana.




