Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FONJAN’AMBATONDRAZAKA : Fokonolona manodidina ny 500 nitaky famoahana olona enina
Tonga tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ny vahoaka miisa 500 eo ho eo avy any amin’ny fokontany Begoavy sy Mangalaza, kaominina Feramanga Nord, distrikan’Ambatondrazaka nitaky ny hamotsorana ireo olona miisa enina, izay naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva teo noho ny raharaha fitsaram-bahoaka. Voatery nanao tifi-danitra ireo mpandraharaha ny fonja, mba ho fampitandremana ireo vahoaka tonga teo amin’ny fonja…
Tonga tao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka ny vahoaka miisa 500 eo ho eo avy any amin’ny fokontany Begoavy sy Mangalaza, kaominina Feramanga Nord, distrikan’Ambatondrazaka nitaky ny hamotsorana ireo olona miisa enina, izay naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly tamin’ny 6 ora hariva teo noho ny raharaha fitsaram-bahoaka. Rehefa naheno ny fampidirana am-ponja ireo olona miisa enina ny vahoaka avy amin’ny fokontany roa ireo, dia tonga nirohotra namonjy ny fonjan’Ambatondrazaka, mba hitaky ny famotsorana ireo olona voatazona ao am-ponja. Voatery nanao tifi-danitra ireo mpandraharaha ny fonja, mba ho fampitandremana ireo vahoaka tonga teo amin’ny fonja. Raha vao naheno ny zava-nisy, ny mpitandro filaminana, dia tonga nanatevin-daharana azy ireo ny avy amin’ny Zandarimaria sy ny Polisy tao Ambatondrazaka, mba hiarovana ny fonja.
Tsy nisy ny olona naratra…
Nifampiresaka tamin’ireo solontenan’ireo vahoaka ny Tonia, ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, ny lefitry ny Prefe ka nandresy lahatra azy ireo, fa tsy ao anatin’ny savorovoro no hamahana ny olana fa mila mifanatona. Resy lahatra ireo vahoaka ka nody any amin’ny fokontany niaviany. Tsy nisy ny olona naratra ary tsy nisy aina nafoy. Nohamafisina ny fiambenana ny fonja ka manatevin-daharana amin’izany ny zandary sy polisy ao Ambatondrazaka. Anio alakamisy 03 Aogositra no vonona handray ireo solontenan’ireo vahoaka ny fitsarana Ambatondrazaka.
Raha tsiahivina ny zava-niseho, nisy tranga halatra omby tamin’ny 12 oktobra 2022 araka ny MR N*511/2 BDE Ambatondrazaka, tamin’ny 17 oktobra 2022 ka niharan’ny fitsaram-bahoaka tamin’izany ny olona miisa roa, izay voarohirohy tamin’io halatra omby io. Nitory teny anivon’ny fitsarana Ambatondrazaka ireo fianakavian’ireo niharan’ny fitsaram-bahoaka ka namoaka « Soit transmis » ho fisamborana sy hanaovana fanadihadiana, araka ny laharana 290/PR/22, tamin’ny 23 novambra 2022 ny fitsarana ka nalefa tamin’ny tobim-paritra Ambatondrazaka, mba hanokafana fanadihadiana mikasika io fitsaram-bahoaka io. Notanterahin’ny tobim-paritra Ambatondrazaka io « Soit transmis » io araka ny PV N*128 tamin’ny 16 may 2023, izay tsy nisy fisamborana na dia nisy aza ireo olona enina voatory tamin’izany. Taty aoriana, namoaka TLO N* 812 RP/23/IP-35 CR /23/J1 ny fitsarana Ambatondrazaka tamin’ny 04 jolay 2023, izay nampisambotra ireo olona miisa enina voatory ka hitondra azy ireo amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Notanterahin’ny tobim-paritra Ambatondrazaka io, araka ny PV N* 201 tamin’ny 31 jolay 2023 ka naterina teny amin’ny fitsarana ny alatsinainy 01 aogositra 2023, ireo olona miisa enina voatory ireo. Nanapa-kevitra ny mpitsara mpanao famotorana ny hitazona azy ireo vonjimaika ao amin’ny fonjan’Ambatondrazaka.
Pierre M.




