Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
VAKY FONJA TAO MANANJARY: Gadra miisa enina tafatsoaka, mandeha ny fanadihadiana
Vaky ny fonjan’i Mananjary ka gadra miisa enina no tafatsoaka tamin’izany, omaly vao maraim-be. Voalazan’ny tatitra fa ny arom-baravarankely efa ratsy sy nokasaina amboarina no nitsoahan’ireo voafonja tao anaty haizim-be vokatry ny fahatapahan-jiro. Hatreto tsy mbola nisy voasambotra ireo enin-dahy…
Omaly talata tokony ho tamin’ny 03 ora maraina no vaky ny fonja tao Mananjary. Gadra miisa enina no fantatra fa tafaporitsaka tamin’izany. Raha ny fanazavana avy amin’ny tompon’andraikitry ny fonjaj tao an-toerana, dia avy eo am-baravarankely avy any atsinanana no nivoahan’ireo voafonja nandositra, tamin’ny arom-baravarankely (grille de protection) izay voalaza fa efa ratsy, saingy eo am-piandrasana ny antanan-tohatra amin’ny fanoloana izany indrindra, raha ny voalaza, no niseho izao tranga izao. Ankoatra izany, dia fantatra fa tao anaty fahatapahan’ny herinaratra tao an-toerana mihitsy no nitrangan’ity fandosirana gadra ity. Voalaza mantsy, fa tapaka isaky ny alina ny herinaratra ao an-toerana, ka niroso tamin’ny fampiasana vata mpihary herinaratra (groupe) ny ao amin’ny fonja. Ho fitsitsiana ny solika anefa, dia novonoina io fitaovana io, tokony ho tamin’ny 03 ora maraina, izay nahafahan’ireto voafonja miisa enina nanita-tsaina nandositra. Ny Lehiben’ny mpandraharaha ny fonja ao Mananjary no nampandre mialoha ny vaovao tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Nandray fepetra avy hatrany ireto farany, dia ny fampandrenesana ireo Tobina mpitandro filaminana manodidina rehetra, mba hanao ny fisavana ireo fiara sy lakana mivoaka an’i Mananjary. Avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana niarahana tamin’ireo mpitandro filaminana hafa ny Mpandraharahan’ny fonja. Hatramin’ny omaly alina anefa, tsy mbola nandrenesam-baovao izany fikarohana natao izany. Efa misokatra ihany koa ny fanadihadiana mikasika ity tranga fahavakisana fonja ity amin’izao fotoana.
Naparitaka ny sary sy ny mombamomban’ireo gadra nandositra
Ankoatra ireo fepetra noraisina, dia nisy koa ny fanaparitahana ny sary sy ny anarana, ary ny mombamomba ireo voafonja enina mirahalahy nandositra ny fonja ireo, mba hanamora ny fikarohana atao. Raha ny anarana sy ny nanamelohana azy ireo avy, dia Andriamahasolo Séraphin, Randriamanantena Félistin, Randriatahina Tanicia, izay samy voaheloka noho ny fanafihana mitam-piadiana miharo vono olona mahatsiravina. Ilay antsoina hoe Bienvenu sy Rakotonandrasana Fulgence Ndrasana, izay samy voaheloka noho ny halatra miharo vaky trano, ary i Théophile, voafonja miandry fotoam-pitsarana rehefa voampanga ho nikasa hamono olona sy tafiditra anaty fikambanan-jiolahy. Amin’ny alalan’ny fisavana ireo fitaovam-pitaterana sy ny fifandraisana amin’ireo Lehiben’ny fokontany, ary Kartie mobile, araka izany, no anatanterahana ny fikarohana ireo gadra nandositra.




