Non classé

FIVAROTAN-TENA ANATY TAMBAZOTRA: Sarona ny vehivavy iray tompon’antoka

Ilay vehivavy sarona, tompon’antoka tamin’ity raharaha ity.

Efa mielim-patrana eto amintsika ankehitriny, ny fitadiavam-bola mamoafady amina tambazotran-tserasera. Misy amin’izy ireny no efa tratra, raha mbola maro no miriaria amin’izao fotoana. Tovovavy maro no mirona amin’izany, ka na dia mamery hasina aza, hitsofohany hatrany satria vahiny any ivelany no mandefa vola, ary mitady izay fahafinaretana tiany. Vehivavy iray 25 taona indray no saron’ny mpitandro filaminana, rehefa fantatra fa manakarama vehivavy maromaro hivaro-tena anaty aterineto. Ao amin’ny tambazotra fesiboky no nahitany ireo tovovavy hiasa ao aminy, raha amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana kosa, no hifandraisany amin’ireo vazaha mpila fahafinaretana. Alefany avy amin’ny alalan’izany mivantana kosa indray, ny sarimihetsik’ireo tovovavy, amin’izay efa nandraisany vola. Fantatra, fa manomboka amin’ny 1 800 000 Ariary ka hatramin’ny 10 000 000 Ariary ny tovovavy iray amin’izany, rehefa mahatanteraka izay tian’ny vazaha atao amin’ireto tovovavy malagasy, na dia mifanohitra tanteraka amin’ny hasina maha olombelona, aza. Ny sasany tamin’ireto lasibatra indray nilaza, fa lehilahy dimy hatramin’ny 10  isan’andro no lehilahy homen’izy ireo faharinaretana, ary maharitra 15 hatramin’ny 30 minitra eo izany. Lelavola manodidina ny 200 000 Ariary eo indray, no raisin’izy ireo amin’izany, isam-bolana.  Indroa isan-kerinandro ihany koa izy ireo no voalaza fa afaka mody, ary misy mbola mpianatra. Raha ny salan-taonan’ireo tovovavy tafaroboka amin’ity asa ratsy ity indray, dia fantatra fa 19 ka hatramin’ny 24 taona eo. Noho ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana tao Ankadikely Ilafy, avy amin’ny « Service des enquêtes spécialisées » anefa, sarona ity asa ratsy mamoehitra fanaon’io vehivavy iray io. Mbola tratra niaraka taminy ihany koa, ny tovovavy miisa valo. Sarona niaraka tamin’izany koa, ny fitaovana maromaro hifandraisany amin’ireo vahiny any ivelany, toy ny solosaina sy ireo kojakoja enti-mifandray. Niaraka tamin’izany koa, ireo fitaovana hampiasain’ireo vehivavy toy ny « sextoys », sy ny sisa. Naiditra am-ponja vonjimaika etsy Antanimora, ilay tompon’antoka, ary iteo tovovavy nampiasainy indray efa tafaverina an-tokantranony avy.

Fermer