Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
LALAON’NY FRANKÔFÔNIA ANY KINSHASA: Efa namaha ny olan’ny atleta sy ny artista ny mpitarika ny delegasiona malagasy
Tsy tomombana ny fikarakaran’ny firenena mpampiantrano ny Lalaon’ny Frankofonia 2023, any Kinshasa, RD Congo. Nanana olana tamin’ny trano nivantanana ireo delegasiona malagasy. Toy izany ihany koa tamin’ny sakafo. Efa nikaro-bahaolana ireo lehiben’ny delegasiona any an-toerana, araka ny tatitra.
Nanaitra ny maro ny fampitam-baovao fohy nataon’i Kristina Rakotobe, mpilalao basikety ao amin’ny Ankoay vehivavy, izay mandray anjara any amin’ny Lalaon’ny Frankofonia, any Kinshasa omaly. Voalaza tao anatin’io horonantsary fohy io fa nifindrafindra trano foana ireo delegasiona ahitana ireo atleta sy mpanakanto mandray anjara amin’ny fifaninanana any an-toerana. Tsy zarizary ihany koa ny sakafo ho an’ireo atleta, ka mampihena ny fahombiazan’izy ireo izany. Teo anatrehan’izany, tsy vitsy ireo nanakiana avy hatrany ny Fitondram-panjakana ho tsy mandray andraikitra, ary manao ankilabao ireo atleta malagasy.

Omaly ihany dia efa nitondra fanazavana mahakasika ny zava-misy marina any RD Congo ny mpitarika ny delegasiona. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay mitarika ny delegasiona momba ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava, fa tena nanana olana tamin’ny trano sy ny sakafo mihitsy ny delegasiona malagasy, na ny fanatanjahan-tena na ny kolontsaina, mandray anjara amin’ny lalaon’ny firenena miteny frantsay na ny jeux de la Francophonie. “Vao tonga taty ny delegasiona dia efa tsy nanana trano nivantanana satria tsy mbola vita ny village des jeux. Teny andalan-tsara ny delegasiona malagasy no nisolo akanjo nanao ny matso tamin’ny lanonam-panokafana. Nivadika daholo ny saina malagasy. Ratsy mihitsy ny fandraisana ny lalao. Nilahatra 2h ny atleta sy ny artista vao mahazo sakafo sns…”, hoy ny fampitam-baovao nataony.
Tena tsy tomombana…
Nilaza ity tomponandraikitra ity fa tena tsy tomombana tokoa ny fikarakaran’ny firenena mpampiantrano ny lalao any Kinshasa, kanefa efa nandoa ny latsakemboka ho fandraisana anjara amin’ny sakafo sy ny trano mihitsy ny firenena rehetra mpandray anjara, toy izany koa i Madagasikara ary efa naloa talohan’ny nanombohan’ny lalao izay latsakemboka izay.
« Tsy ny Fanjakana malagasy no manao ny fikarakarana aty an-toerana, niady nanao izay fomba rehetra namahana ny olana aza ny tompon’andraikitra manaraka ny delegasiona aty an-toerana. Tena niady nifamaly tamin’ireo congolais mpikarakara mihitsy ary ady isan’andro sy ny famahana olana. », hoy ny Tale jeneralin’ny Serasera. “Tsy afenina fa efa nanambana hody mihitsy aza isika vao nikoropaka ry zareo mpikarakara ka nanambatra ny delegasiona amina toerana iray, nandefa solotenam-panjakana avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy avy amin’ny Primatiora”, hoy hatrany fanazavana.
Araka izany, ny horonantsary fohy izay nataon’i Kristina ao amin’ny Ankoay omaly dia tsy niantefa amin’ny Fitondram-panjakana malagasy, fa kosa ho an’ny firenena mpampiantrano izay tokony hanatsara ny fandraisana ireo delegasiona vahiny.




