KolontsainaSongadim-baovao

LALAON’NY FRANKÔFÔNIA 2023: Nandrombaka ny medaly volamena i Richianny Ratovo, sokajy hosodoko

Namiratra i Madagasikara, namiratra ny mpanakanto malagasy! Nosalorana ny medaly volamena, omaly i Richianny Ratovo, teo amin’ny sokajy hosodoko. Nanakoako teto amin’ny Musée national de la RDC ny hiram-pirenena malagasy, nampahatsiahy ny valin’ny asa sy ezaka nomban’ny talentan’ny mpanakanto, nifaninana tamin’ny Lalaon’ny Frankôfônia andiany fahasivy. «Hay ny tsiky manaloka» ny anaran’ny tabilaony nalefany nifaninana. «Fitaratra, tantarao ahy», kosa ilay sanganasa nataony nivantana taty an-toerana, nambabo ny mpitsara sy ireo izay nitsidika rehetra.

Fa nahazo ny medaly volafotsy ka niakatra teo amin’ny antanan-tohatra faharoa ihany koa i Fitiavana Ratovo, teo amin’ny sokajy sary sokitra! «Ny varavaran’ny fihavanana» no anaran’ny sanganasany nentiny nifaninana, ary ny «Mon rêve du Monde» kosa no novitain’i Fitiavana taty an-toerana, naharesy lahatra ireo mpitsara ! Voaporofo indray, fa mamiratra eo amin’ny talentany ny mpanakanto malagasy, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolotsaina.

Tetsy ankilany, nifarana teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny lalana vitan’ny Ekipam-pirenena vehivavy eo amin‘ny taranja basikety Ankoay, taorian’ny nandresen’i Sénégal azy ireo tamin’ny isa 48 no ho 94.

Fermer