PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TALE JENERALIN’NY CNAPS VAOVAO: “Iezaka izahay hametraka ny mangarahara sy ho tsara tantana”
Ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 02 Aogositra teo no nanendry an’i Vimbina Rahaingonjatovoho, ho Tale Jeneralin’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps). Nandrasana fatratra ity fanendrena azy ity teo anatrehan’ireo olana marolafy niseho teo anivon’ity orinasam-panjakana ity. Tafiditra tao anatin’izany ny fampidirana am-ponja ny Tale jeneraly vonjimaika izay nitarika ny fitokonan’ny sendikan’ny mpiasa lavareny, eny fa na dia efa nivoaka ny fonja efa ela aza ity tomponandraikitra ity. Omaly, nandray ny asa ny Tale Jeneraly vaovao. Nambarany tao anatin’izany fa iezaka amin’ny heriny rehetra ny tenany hampihatra ny mangarahara amin’ny fitantanana ity orinasa ity mba hiverenan’ny fatokisan’ireo mpiara-miombona antoka sy ireo mpandoa latsakemboka tsy ankanavaka. Toy izany ihany koa ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana. Tanjona iraisana, hoy izy, ny ijanonan’ny ady sy ny fifandroritana samihafa mifandraika amin’ity orinasam-panjakana ity. Mila fotoana anefa no hahafahana manatratra izany tanjona izany.
Etsy ankilany, anisan’ny vinan’ny Tale Jeneralin’ny Cnaps vaovao ihany koa ny hamaliana bebe kokoa ny hetahetan’ireo be antitra mpisitraka tombontsoa eo anivon’ny Cnaps. Nambarany fa tsy mifanaraka intsony amin’ny fahasarotan’ny fiainana ny vola raisin’ireo be antitra, ka iezaka ny tenany hanatsara izany mandritra izao fitantanany izao.
Nanamafy kosa, ankoatra izay, ny teo anivon’ny Filankevi-pitantanana fa isan’ny vaindohan-draharahan’izy ireo ankehitriny ny famerenana ireo volan’ny Cnaps izay nampiasaina ary miparitaka any amin’ny sehatra isan-karazany amin’izao fotoana. Nohamafisin’ny Tale Jeneraly vaovao fa efa voafaritry ny lalàna mifehy ny Cnaps ny fahafaha-manao fampiasam-bola na petra-bola hahazoana tombony. Misy lalàna mifehy azy anefa izany ka rehefa tonga ny fotoana tokony hiverenan’ny vola eo anivon’ny Cnaps dia tsy maintsy atao ny dingana rehetra mifanaraka amin’izany, na amin’ny alalan’ny fifampiraharahana, na “recouvrement”, na miditra raharaham-pitsarana.




