PolitikaSongadim-baovao
FITAKIAN’NY MPIASAN’NY CNAPS : Mitohy ny fifampiresahana, nesorina ireo sora-baventy
Samy nahita ny sora-baventy napetraky ny sendikan’ny mpiasan’ny Cnaps ny rehetra, herinandro maromaro lasa izay, izay mitaky ny tsy tokony hanaovana tantely afa-drakoka ny vola ao amin’ity tahirim-pirenena ity. Amin’izao fahazoan’ny Cnaps Tale jeneraly vaovao izao, dia nisy ny fifandresen-dahatra teo amin’ity tomponandraikitra vaovao ity, sy ireo mpiasa nanao ny fitokonana. Taorian’ny fifampiresahana dia nesorina omaly ireo sora-baventy ireo. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Cnaps, Vimbina Rahaingonjatovo fa mitovy ny tanjona sy ny fomba fijery eo aminy sy ireo mpiasa ireo, izay samy saropiaro amin’’ity orinasam-panjakana ity avokoa. Araka ny fanazavana, dia resy lahatra tamin’ny fomba fiasa mangaraharaha sy tsara tantana nambaran’ny Tale jeneraly tamin’ny fotoana nandraisany ny asany ny fiandohan’ny herinandro teo ireo mpiasa, ka isan’ny nahatonga izao fanesorana ny sora-baventy izao. Tsy mijanona hatreo anefa izany fa mitohy hatrany, ary nilaza ny Tale Jeneraly vaovao fa hanao vaindohan-draharaha ny fijerena ireo zava-misy marina ao anatin’ity orinasam-panjakana ity.


