Fanatanjahan-tenaPolitikaSongadim-baovao
FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY 2023 : « Na inona na inona firehana politika, tokony ho ny Firenena no jerena », hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy
Anisan’ireo federasiona tsy nanana fikasana ny hisintaka amin’ny fandraisana anjara amin’ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara mihitsy ny teo amin’ny taranja tenisy. Nambaran’ny Minisitra Mpiahy izany taranja izany, ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, fa voninahi-pirenena no arovana mandritra ny lalaon’ny Nosy, ka tokony hampiseho fitambarana sy firaisankina ny Malagasy rehetra. “Tsy mety raha toa ka olona milaza fa tia tanindrazana sy mihambo hitondra ny firenena nefa toe-tsaina ara-panatanjahantena fototra aza tsy ananana”, hoy izy raha nanitsy ny olona eo anivon’ny Komity olimpika izay voalaza fa miezaka manakantsakana ny fizotry ny fanomanana. Na inona na inona, hoy izy, ny firehana sy ny faharesen-dahatra ananana dia tokony ho ny firenena no jerena, fa tsy hanao ny fomba rehetra tsy andavorariana ny lalao.
Nambaran’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa efa heno hatramin’ny fisiana vola miparitaka, ny fanaovana tsindry ireo mpikambana ao amin’ny federasiona, sy ny finiavana hanakorontana ny lalao. Novakiany bantsilana fa efa hatrany am-boalohany mihitsy no efa fantatra fa nanao ny fomba rehetra tsy hanaovana ny Lalaon’ny Nosy teto Madagasikara ny sasantsasany avy ao amin’ny Komity olimpika, ary namoaka mihitsy tamin’izany fa 2% ihany no herijika hanatanterahan’izany lalao izany eto Madagasikara. Ankehitriny anefa, hita fa mandeha antsakany sy andavany ny fanomanana rehetra, ka tsy mahagaga raha toa ka mandrovi-tsihy ireo tsy faly.
Amin’ny ankapobeny, efa mizotra antsakany sy andavany ny fanomanana rehetra ho an’ny taranja tenisy manokana. Tsy misy ny olana goavana sedrain’ireo atleta izay anatin’ny fampivondronana sy ny fanazarantena tanteraka amin’izao fotoana izao. Nilaza ny Sekretera jeneralin’ny Federasion’ny Tenisy fa noho ny ezaky ny mpiara-miombona antoka rehetra no mampandeha ny fampivondronana, ary isan’izany ireo Minisitra Mpiahy, izay ahitana ny avy amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Minisiteran’ny Fizahantany, ary ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy ny Fidiovana. Tsara ho fantatra fa manana atleta enina mirahalahy sy enina mirahavavy i Madagasikara ao anatin’ity taranja ity.



