PolitikaSongadim-baovao
FANAKANANA NY FIROTSAHAN-KOFIDIAN’NY FILOHA : “Tsindry sy fandrahonana mivantana ny mpitsara no ataon’i Hajo Andrianainarivelo”
Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny fanambaran’ny Filohan’ny Antoko MMM ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, omaly. Nambarany fa efa fanaovana tsindry ara-moraly sy fandrahonana mivantana ireo mpitsara malagasy mihitsy no ataon’ity mpanao politika ity, izay nilaza fa hanara-maso ny mpitsara izay hahasahy hanome “certificat de nationalité malagasy” an’ny Filoha Rajoelina. Ny fanakanana ny firotsahan-kofidian’andriamatoa Andry Rajoelina no tanjony amin’izany.
Nanaitra ny mpanara-baovao ny fanehoan-kevitra nataon’ny Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga (MMM), Hajo Andrianainarivelo, tamin’ity herinandro ity, mahakasika ny tsy fanekeny ny fahafahan’ny Filoha Rajoelina mirotsaka hofidiana indray amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika manaraka eo, noho ny filazany ny tsy fizakan’andriamatoa Andry Rajoelina intsony ny zom-pirenena malagasy. Nohamafisiny mihitsy fa ho ataony andrimaso izany, ary ho arahina maso hoe iza no mpitsara hahasahy hanome taratasy fanamarinana fizakana zompirenena an’andriamatoa Andry Rajoelina. Nitondra ny fanehoan-keviny mifandraika amin’izany ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Nambarany fa nilatsaka tanteraka ny sarotavan’andriamatoa Hajo Andrianainarivelo, izay isan’ireo Minisitra tao anatin’ny Governemanta ihany teo aloha, ary niara-niasa tamin’ny Filohan’ny Repoblika. Ankehitriny anefa nivadika mankahala tanteraka, ary tsy manana hevitra entina afatsy ny fanambanana fanakorontanana filaminam-bahoaka sy fidinana andalambe.
Fahaleovantenan’ny mpitsara sy ny rafi-pitsarana ?
Nambaran-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy fa mihambo hitondra firenena ny Filohan’ny Antoko MMM amin’ny alalan’ny firotsahan-kofidiany amin’ity fifidianana manaraka ity. Ny Lalàmpanorenantsika anefa dia milaza fa ny Filohan’ny Repoblika no Filohan’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM) ihany koa. “Amin’ny maha Filohan’ny CSM anao, dia miantoka ny fahaleovantenan’ny mpitsara sy ny rafi-pitsarana ihany koa izany ianao. Mampametra-panontaniana anefa no hisian’izany fahaleovantena izany raha toa ka mbola kandida aza izy dia efa manao tsindry mivantana sy fandrahonana mivantana ho an’ny mpitsara, amin’ny filazana fa hanao andrimaso ho an’izay mpitsara mahasahy mamoaka taratasy fanamarinana ny fizakan’ny Filoha Rajoelina ny zom-pirenena malagasy”, hoy izy. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nandrenesam-peo ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara na ny SMM momba iny fanambarana iny.
Mahafantatra tsara ny mpanohitra, hoy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa raha ny lalàna no hampiharina dia tsy misy mihitsy antony manakana ny Filoha Andry Rajoelina tsy hahazo “certificat de nationalité” izany, satria tsy mbola nisy Didimpanjakana nanala ny maha Malagasy azy, ary tsy hisy mihitsy izany. Teo anatrehan’izany, nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta fa tahotra fifidianana no fototry ny olan’ireo mpanohitra ankehitriny, indrindra ireo efa nanao fanambarana fa hirotsa-kofidiana.
Ny Fanoratana.



