
PolitikaSongadim-baovao
VOASARINGOTRA AMINA RAHARAHA KOLIKOLY: Nesorina ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika
Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny alatsinainy teo, dia nesorina tsy ho Talen’ny kabinetran’ny Filoham-pirenena intsony i Andrianarisoa Romiary. Voatonona tamin’ny resaka kolikoly ary voasambotra any Londres, tamin’ny Alakamisy lasa teo ity tomponandraikitra teo aloha tao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ity.
Nisy ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika ny tolak’andron’ny alatsinainy teo, izay nanaisotra tamin’ny toerany ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika, Andrianarisoa Romiary. Fanapahan-kevitra izay nifandray tamin’ny vaovao niparitaka tamin’ny Tambazotran-tserasera, nanambara fa nosamborin’ny manampahefana Britanika, ary miatrika fanadihadiana any Londres amin’izao fotoana izao ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ny tranonkalam-pifandraisana Britanika « Financial Times » no namoaka ny vaovao voalohany. Voalaza tao anatin’izany fa voasaringotra tamina raharaha Kolikoly tao Londres, Royaume Uni, i Andrianarisoa Romiary. Araka ny fanambaran’ny National Crime Agency (NCA) dia ny alakamisy teo no voasambotra ny tenany, sy Philipe Tabuteau izay teratany vahiny mpiara-miasa akaiky aminy. Voalaza fa ahiahiana ho saika hanao kolikoly ka nitaky vola 225 000£ tamin’ny orinasa mpitrandraka Harena an-kibon’ny Tany britanika antsoina hoe “Gemfields” izy ireo, hahafahan’ity orinasa ity mahazo fahazoan-dalana hitrandraka eto Madagasikara, ary koa nitaky petrabola 5% ao amin’ny orinasa. Taorian’ny fisamborana dia efa nalaina ambavany i Romiary Andrianarisoa, sy i philipe Tabuteau.
Tsy fantatry ny manam-pahefana malagasy
Voalaza tao anatin’ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Repoblika, fa tsy fantatry ny manam-pahefana malagasy ny anton-dian’i Romiary Andrianarisoa tany Londres. Izy rahateo ao anatin’ny fotoana tsy hiasana satria nampiditra ny fangatahana tsy hiasa (Congé) nanomboka ny alarobia 09 Aogositra, ka hatramin’ny 22 Aogositra 2023. Hentitra ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny fanajana ny Etika amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, sy amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly amin’ny endriny rehetra, araka ny fampitam-baovao. Nambara ihany koa fa ny manam-pahefana malagasy dia manaraka akaiky ny fanadihadiana momba ity raharaha maha voasaringotra an-dRamatoa Romiary Andrianarisoa ity.
Tsy tomponandraikitra ny Filoha!
Manoloana ity raharaha ity dia nanamafy ny Governoran’ny Faritra Analamanga, izay sady Sekretera Nasionalin’ny Antoko TGV, Hery Rasoamaromaka, fa tsy iraka ofisialy no nalehany tany fa niala sasatra. “Ny Filohan’ny Repoblika raha toa ka misy olona iray notendrena ka manondrana dia tsy izy no tomponandraikitra amin’izany”, hoy izy. Notsindriany fa tsy tomponandraikitra amin’ny toetran’ny tsirairay ny Filohan’ny Repoblika. Ary nambarany fa izao zava-miseho izao dia vokatry ny fanendrena olona tsy mpiara-mitolona, izay tsy mahatsapa ny lanjan’ny tolona natao fa lasa manao adalana manimba ny endriky ny Fitondrana.
Raha tsiahivina, Talen’ny kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika fahefatra i Andrianarisoa Romy Voos, taorian’i Stéphanie Delmotte, Lova Hasina Ranoromaro ary Vahinala Baomiavotse Raharinirina.



