Songadim-baovaoSosialy

FIRONGATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA: Handraisana sazy hentitra ireo tompon’antoka amin’ny famoizana ain’olona

Fotoana mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana ny andro fialan-tsasatra. Saika nahitana tranga mifandraika amin’izany ireo lalam-pirenena maromaro eto amintsika tato anatin’ny andro vitsy izao. Misy hatramin’ny famoizana ain’olona ka izany indrindra no anton’ny fihaonana vonjimaika teo amin’ireo rehetra mpiantsehatra amin’ny tontolon’ny fitaterana an-tanety omaly, nandinihana ny fepetra fisorohana ny tranga lozam-pifamoivoizana sy famaizana ireo tompo’antoka amin’izany.

Miantoka ny fivezivezen’ny olona sy ny fananany ny sehatry ny fitaterana. Isan’ireo singa mampihodina ny lafiny ara-toekarena eto amin’ny firenena izy. Izany hoe andry iray hiankinan’ny fampandrosoana ihany koa. Ny sehatry ny fitaterana an-tanety aloha hatreto no mbola lohalaharana amin’ny fifamoivozana fampiasan’ny sarambabem-bahoaka eto Madagasikara. Voakasika ao anatin’izany ny fitaterana an-tanety eto an-drenivohitra. Tsy latsa-danja ihany koa ny fifamoivoizana an-tanety mampitohy ireo Faritra 23 manerana ny Nosy.

Fotoana mahabetsaka ny fivezivezena eny amin’ny lalam-pirenena ny fotoan’ny fialan-tsasatra tahaka izao. Betsaka kokoa ny tinady amin’ny fitaterana satria olona maro no misafidy hiala sasatra any moron-tsiraka. Ny avy any anindran-tany ihany koa maro ireo miakatra eto an-drenivohitra. Ho an’ny eny amin’ny tobim-piantsonana nasionaly Maki-Andohatapenaka fotsiny, ohatra, mahatratra 170 amin’izao fotoana ireo fiara manaingy eny an-toerana isan’andro mitatitra ireo olona hihazo ny faritany ivelan’Antananarivo; raha to ka manodidina ny 100 eo izany amin’ny fotoana mahazatra. Tsapa, araka izany, fa manao dia maika ireo mpitatitra mba ho famaliana io filàna ara-pifamoivoizana eo amin’ireo mpanjifa io. Io matetika no mitarika ny lozam-pifamoivoizana ka nahitàna tranga firongatr’izany ny tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ohatra amin’ireo ny tany Beforona Lalam-pirenena faharoa (RN2), ny tany Isandra-Fianarantsoa RN42, ary ny tetsy Ambodiafontsy RN1. Vokany, tafiakatra 20 ireo namoy ny ainy tamin’ireo loza telo samihafa ireo ary am-polony maro ireo naratra.
Raha ny fanazavana avy amin’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro moa, miisa 270 ireo olona namoy ny ainy tato anatin’ny telo taona noho ny lozam-pifamoivoizana, ka voarakitra teny anivon’ny zandarimariam-pirenena. Izany hoe tsy voaisa ao anatin’io antotanisa io ireo tsy nanao fampahafantarana ka antotanisa avy amin’ny banky iraisam-pirenena indray no nahafantarana fa olona manodidina ny folo isan’andro eo ireo olona mamoy ny ainy eto Madagasikara vokatry ny lozam-pifamoivoizana.

Antony voalohany mahatonga ny loza ny tandrevaka ataon’ireo mpamily

Isan’ireo tranga hamoizana ain’olona betsaka indrindra, ankoatra ny asan-dahalo, noho izany, ny lozam-pifamoivoizana. Tsy eto Madagasikara irery ihany fa tranga iainana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Miteraka faty antoka hatramin’ny 9,5% amin’ny harin-karena faoben’ny firenena anefa, na ihany koa vola mitentina 1 miliara dolara, ny fisian’ny tranga toy izany. Tanjona apetraky ny Fitondram-panjakana, araka izany, ny hampihenana hatramin’ny 50% ny isan’ny olona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatramin’ny taona 2030.

Antony voalohany mahatonga ny lozam-pifamoivoizana niseho nandritra ity fotoam-pialan-tsasatra ity, raha ny tatitra avy amin’ireo tompon’andraikitra, ny tandrevaka ara-pitondrantena ataon’ireo mpampily fiara. Saika hita matetika, ohatra, ny fikitihana finday eny am-pamiliana na ny fandraisana zava-pisotro mahamamo sy zava-mahadomelona. Mandeha mafy, vokatr’izany, ka miafara any amin’io fanaovana loza io.
Tsy azo hodin-tsy hita ihany koa anefa ny antony vokatry ny tsy fanarahan-dalàna mandritra ny fitondra fiara. Isan’io, ohatra, ny tsy fitondra mpamily mpisolo toerana ho an’ireo mitatitra amin’ny halaviran-toerana mihoatra 400km, ny fanaovana dona miverina, fanaovana taingimbe sy fitondrana entana mihoatra ny tokony ho izy, ny fanenjehana fotoana, sy ireo maro hafa. Mbola avoitra ao anatin’izay antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ihany koa ny faharatsian’ny lalana, sy ny tsy fisian’ny fikojakojana ny fiara.

Fepetra maro noraisina, hentitra ny sazy miandry

Manoloana ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana amin’izao fotom-pialan-tsasatra izao dia nanatanteraka fivoriana vonjimaika omaly ireo rehetra voakasiky ny sehatry ny fitaterana an-tanety eto Madagasikara. Fivoriana nandinihana ny fepetra tokony ho raisina mialoha, mandritra, ary aorian’ny hitrangan’ny loza. Isan’ny nisongadina tao anatin’io, araka izany, fa handraisana sazy hentitra ho an’ireo tompon’antoka amin’ny fanaovana lozam-pifamoivoizana naharatrana, indrindra fa nahafatesana olona.
Ankoatra io, nanazava ihany koa ny tale jeneralin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), Ratovohery Mirambololona, fa hahetsika ireo ekipa hanatanteraka fidinana ifotony hanao asa fanaraha-maso sy fanentanana ireo mpamily sy ny mpandeha, mbamin’ny tompona fiara sy kaoperativa. Isan’ireo asa fohiezaka ampiharina avy hatrany, araka izany, ny fanamafisana ny fidinana ifotony, fanamafisana ny fitsirihanana eny amin’ny lalam-pirenena sy eny amin’ireo tobim-piantsonana. Jerena mandritra io fidinana io ny fitsirihana eo am-piaingana, ny fanaraha-maso rehetra, ary ny fampiharana ny fanarahan-dalàna rehetra mahakasika ny fifamoivoizana.
Mbola fepetra noraisina ihany koa anefa ny ny fanaovana fanentanana ho fampahafantarana ny lalàna. Ary tsy azo hadinoina ny fanasaziana ireo rehetra tsy manaja izany lalàna izany.
“Nahavita nanafoana ny lozam-pifamoivoizana isika tamin’ireny fetin’ny paka, pentekoste sy fetim-pirenena ireny ka tsy misy antony tokony tsy hahatrarantsika izany mandava-taona”, hoy ny fanehoan-kevitra noentin’i Ramonjavelo Valéry, Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

Fakana aina, fanamboaran-dalana

Mbola vahaolana avy amin’ireo kaoperativam-pitaterana ihany koa ny tokony hisian’ny fialan-tsasatra isaky ny adin’ny efata ho an’ireo fitaterana amin’ny halaviran-toerana mihoatra ny adiny valo. Izany hoe misy fialana reraka mandritra ny 15 minitra eo ka “ampianarina mihitsy ilay mpandeha mba tsy ho tezitra. Misy amin’izy ireo mantsy no tezitra ka mandondona ny mpamily, ary iny avy eo no mitarika any amin’ny loza”, hoy ny fanazavana noetin’i Mamy Rakotomalala, tompon’andraikitra amian kaoperativa.
Ambara fa antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana ihany koa ny faharatsian’ny lalana. Nanambara ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny asa vaventy omaly fa miezaka mafy ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny manatsara ny lalam-pirenena rehetra manerana ny Nosy. Isan’ny efa mandeha amin’izao fotoana, ohatra, ny fanatsarana ny RN2, 4, 5, 6, ary 7. Hanainga tsy ho ela ihany koa ny fanatsarana ny lalana Antananarivo-Maintirano.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer