PolitikaSongadim-baovao

FANALAM-BARAKA MPITSARA SY LEHIBEN’NY MPIRAKI-DRAHARAHA : Sazy mihatra roa taona an-tranomaizina ho an’i Raissa Razaivola

Omaly alatsinainy 21 Aogositra 2023 no nivoaka ny Didim-pitsarana mahakasika ny raharaha fanalam-baraka ny Mpitsara eo anivon’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (PAC) sy ny Lehiben’ny Mpiraki-draharaha etsy amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Anosy, ho nanao kolikoly. Ramatoa Raissa Razaivola no tompon’antoka tamin’izany fanambarana miendrika fanalam-baraka izany. Ka araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly dia voaheloka roa taona an-tranomaizina ny tenany.

Araka ny angom-baovao, dia samy nametraka fitoriana ireo tomponandraikitra roa lasibatry ny fanalam-baraka, izay sarahin’ny lalàna mazava tsara. Izany hoe, hafa ny sazin’ny faniratsirana mpitsara, ary hafa ihany koa ny sazy ho an’ny faniratsirana tomponandraikitra napetraka itantana sampandraharaham-panjakana. Rehefa namoaka ny didy ny fitsarana dia namoaka fanakambanan-tsazy, ka ny sazy farany ambony no notononin’ny fitsarana, dia io nolazaina 2 taona sazy mihatra io.

Nanambara ny mpisolovava an’ireo nametraka fitoriana fa anisan’ny andraikitra lehibe ataon’ny fitsarana ny ady amin’ny kolikoly. Ary ao anatin’izany ny rafi-pitsarana eto amintsika ankehitriny. Tsy azo ekena, araka izany, raha toa ka  tenin’olona iray no andotoana ny fitsarana iray manontolo. Misolotena rafitra iray ireo olona eny amin’ny fitsarana, ka raha ireny no tsiratsiraina dia ny hasin’ny fitsarana mihitsy no voakitika, hoy ny fanazavana. Ary tsara ho fantatra fa ny fitsarana dia isan’ ny singa iray mandrafitra ny atao hoe tany tan-dalàna.  

Raha tsiahivina, efa voaheloka fito taona asa an-terivozona noho ny raharaha fikasana hamono olona i Raissa Razaivola, ny volana mey tamin’ity taona ity.

Fermer