Songadim-baovaoSosialy

RAHARAHA ROMY ANDRIANARISOA: « Miandry ny vokatry ny fitsarana any Londres isika », hoy ny Praiminisitra

Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika ny raharaha maha voasaringotra ny Talen’ny Kabinetran’ny Fiadidiana ny Repoblika teo aloha, Romy Andrianarisoa, ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Nambarany fa tsy manana fahefana hiditra amin’iny raharaha iny ny Fanjakana malagasy, ary ny Fitsarana any Londres irery ihany no afaka mamoaka ny valin’ny fanadihadiana izay tanterahin’izy ireo. Raha tsiavihina, efa nilaza ny Minisitry ny Fitsarana Landry Andriamanantenasoa, fa tsy manana fiaraha-miasa ara-pitsarana i Madagasikara sy i Grandes Bretagne.

Tsiahivina fa ny 08 Septambra izao no voafaritra fa hivoahan’ny valim-pitsarana momba ity raharaha ity. Samy miandry am-pitoniana izany ny rehetra. Ary araka ny efa nolazain’ny teo anivon’ny Governemanta hatramin’ny herinandro, dia tsy tokony hanararaotana hanaovana fanelezana vaovao diso sy tsaho ny raharaha tahaka izao, toy ny filazana fa ny Filohan’ny Repoblika mihitsy no naniraka an-dRamatoa Romy Andrianarisoa tany Londres. Tanjon’izany fanambarana izany, hoy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny herinandro teo, ny hanerena ny Filohan’ny Repoblika ho tafiditra amin’ilay raharaha, ka tsy azo ekena.

Fermer