PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHA ZOM-PIRENEN’NY FILOHA: Tsy manana fahefana hitsara ny fitorian’i Fanirisoa Ernaivo ny HCC

Fanapahana laharana 04-HCC/AR no navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana omaly mahakasika ny fitoriana nataon-dRamatoa Fanirisoa Ernaivo sy ny mpiara-dia aminy momba ny tsy tokony ho nahafahan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nirotsa-kofidiana tamin’ny taona 2018 noho ny fizakan’ity farany zom-pirenena frantsay. Teo koa ny mahakasika ny filazana fa tsy mizaka zom-pirenena malagasy intsony ny Filoha Rajoelina. Araka ny fanazavana, voalazan’ny Didy fa tsy azo raisina sady tsy misy mitombina ireo fitoriana nataon’i Fanirisoa Ernaivo amin’ny tsy fahafahan’ny Filoha Andry Rajoelina nirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena. Manaraka ny voalazan’ny Lalàm-panorenana ny antontan-taratasy rehetra firotsahan-kofidiana napetraky ny Kandida Andry Rajoelina ny taona 2018.

Etsy ankilany, nilaza ihany koa ny fanapahana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa tsy afaka ary tsy anatin’ny fahefan’ny HCC ny hitsara momba ny tsy fananan’ny Filoha zompirenena malagasy. Raha tsiahivina, efa naneho hevitra momba izany ny Filohan’ny HCC herinandro maromaro lasa izay. Nambarany tao anatin’izany fa ny Fitsarana Ambaratonga voalohany no mahefa andinika ny resaka zom-pirenena fa tsy anjaran’ny HCC. Andrasana, noho izany, ny ho tohin’ny raharaha.

Hisokatra anio ny fametrahana antontan-taratasy

Tsiahivina fa manomboka anio 23 Aogositra 2023 ka hatramin’ny Alarobia 6 Septambra 2023 izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva no fotoana fametrahana ny anton-taratasy eo anivon’ny HCC ho an’ireo izay te hirotsaka ho fidiana. Miisa 15 ireo antontan-taratasy takiana amin’ny Kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2023, ka anisan’ireo takina ao anatin’izany ny taratasy fanamarinana fizakana zom-pirenena malagasy nomena latsaky ny 6 volana.

Fermer