Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
KIANJA BAREA MAHAMASINA: Hisokatra amin’ny fomba makotrokotroka anio ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11
Raikitra ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11! Vonona i Madagasikara. Vonona ihany koa ireo Atleta malagasy hiaro ny voninahi-pirenena. Amin’ity anio ity no hisokatra amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny Lalaon’ny Nosy 2023. Lanonana izay hotarihin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.
Anio manomboka amin’ny 5ora hariva no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izay hampiantranoan’i Madagasikara. Seho goavana no hampanantenain’ny mpikarakara mandritra izany, izay hampiasana ireo teknolojia moderina. Isan’izany ny Show de drones, Show lumière, show mapping, show laser. Marihina fa haharitra adin’ny telo ny seho hatao. Ary mpanakanto fantadaza maro no hiaka-tsehatra mandritra ny lanonana. Tanora malagasy manodidina ny 1 500 no hanatanterahana ny dihy mirindra na ny mita be. Miisa 4 213 kosa ireo mpandray anjara avy amin’ireo Nosy fito aty amin’ny Ranomasimbe indianina efa eto Madagasikara ary hoavy amin’ny lanonam-panokafana. Efa nigadona teto Madagasikara omaly ihany koa ny Filoham-pirenen’i Maurice izay hanome voninahitra ny lanonam-panokafana. Tsara ho fantatra fa maimaimpoana ny fidirana ao Mahamasina eny amin’ny Gradin mandritra ny lanonam-panokafana.
Ho an’i Madagasikara manokana, efa vonona daholo ireo fotodrafitrasa rehetra. Efa vonona koa ireo atleta, izay vao nomen’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny fampitaovana rehetra ilaina isaky ny taranja. Mazava ny toromarika ho an’ny atleta, dia ny handrombahana ny medaly volamena amin’ireo fifaninanana rehetra atao. Efa misy rahateo ny fanomezana manokana na “prime” nambaran’ny Filoha fa omena izay mahazo medaly.
Ho an’ny andron’ny omaly manokana dia fahombiazana ny fiakarana kianja voalohany ho an’ny Barea an’i Madagasikara izay nifandona tamin’ny ekipam-pirenen’i Seychelles, izay tafiditra ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ao amin’ny Vondrona A amin’ny lalaon’ny Nosy. Nisaraka 01 no ho 00 ny roa tonta, baolina izay tafiditr’i Tendry teo amin’ny minitra faha-20. Rahampitso indray ny fihaonana manaraka amin’ny Ekipan’i Maurice, amin’ny 7ora hariva etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Fiara fitateram-bahoaka miasa hatramin’ny 9 ora alina
Mandritra ity lalaon’ny Nosy hisokatra amin’ny fomba ofisialy anio ity, aorian’ny amin’ny 9ora alina vao hitsahatra ny fivezivezen’ny fiara fitateram-bahoaka. Voakasik’izany avokoa na ny zotra an-drenivohitra na ny ivelan’ny renivohitra, hitsinjovana ny vahoaka mba hody am-pitoniana, mandritra ny Lalaon’ny Nosy, izay atao eto amintsika, araka ny fanambarana. Mampahafantatra ny sampam-pitaterana rehetra ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, ny amin’ny tokony hanarahana izany fepetra izany an-tsakany sy an-davany. Tsy hisy koa ny tsenabe fanao isaky ny Alakamisy eny Mahamasina, ho an’ny 31 Aogositra izao, raha ny fandaminan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tsiahivina fa polisy maherin’ny 2 000 no hahetsika, handrindra ny filaminana mandritra ny Lalaon’ny Nosy, izay atao eto Antananarivo, manomboka anio ka hatramin’ny 3 Septambre izao.




